Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26874A56-4F1F-49A0-9C87-DA3D2470FFED
2
Ny fon'ny hendry dia eo ankavanany; fa ny fon'ny adala kosa dia eo ankaviany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E16C0EB7-7D3C-461A-9451-35358DBAC74E
3
Ary koa, raha mandeha eny an-dàlambe ny adala dia levona ny fahalalany, ka milaza tena amin'ny olona rehetra izy fa adala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D084EA45-FCDA-416E-A007-3468D69A2BDB
4
Raha tezeran'ny mpanapaka hianao aza miala amin'ny fitoeranao; fa ny fahatsindriam-po mahasakana ny fahadisoana lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F3012C9-1E06-4DB5-A74E-533A9FF4B817
5
Misy ratsy efa hitako aty ambanin'ny masoandro, ka toa fahadisoana ataon'ny mpanapaka izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67CF56B6-B4BB-42D5-960E-709E04F31521
6
Asandratra ho ambony indrindra ny adala, ary ny mpanan-karena mipetraka eo amin'ny toerana ambany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38A40915-AC2A-4087-8CDD-99DC605A4814
7
Efa hitako ny mpanompo mitaingin-tsoavaly, ary ny mpanapaka kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91734FB6-40E6-4ABD-A1D1-59F316E2657C
8
Izay nihady lavaka no ho latsaka ao, ary izay mandrava fefy vato no hokekerin'ny menarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEB04CF5-85F6-4A43-8334-04141048DDB7
9
Izay manovoka vato dia haratrany, ary izay mamaky hazo no ho voany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA339FEE-8003-4ADC-A35D-C1BA7651193F
10
Raha dombo ny antsy ka tsy asainy, dia tsy maintsy manao an-teninaina izy; fa fahendrena no mahasoa, satria mahalavorary ny raharaha izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC04D772-EB0D-41FC-A2B5-01ED748798EE
11
Raha manaikitra ny menarana, satria tsy mbola nasiana ody, dia ahoana no mahatsara ny mpanao ody?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B1A2860-48E1-4700-B1B9-F5907F0C45A4
12
Soa ny teny aloaky ny vavan'ny hendry fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B466705-D4CD-45A3-887B-04709185BA81
13
Ny fiandohan'ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran'ny teniny dia fahavezeran-tsaina mampidi-doza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6537445-EC2F-49B0-BD11-BA582B5FD703
14
Maro teny ny adala; nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9682F572-7F0A-481F-ACB2-AE4F9D9865A7
15
Ny fisasaran'adala mahareraka azy, fa ny làlana mankainy an-tanàna aza tsy fantany akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18321EDF-2422-4F2D-BF43-D6C20F36CE54
16
Lozanao, ry tany, raha zaza no mpanjakanao, ary ny lehibenao homa-maraina!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8738830-83E6-4866-846C-B349EBBD4079
17
Sambatra kosa hianao, ry tany, raha tena karazan' andriana no mpanjakanao, ary ny lehibenao homana amin'izay fotoana mety, mba hampahatanjaka ny tenany, fa tsy ny hampahamamo azy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FB94190-70B0-4D42-8336-0B0AC451D986
18
Ny fahalainana be no mampianjera ny lohatrano, ary ny hakamoan'ny tànana mampitete ny trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1317D39E-C77F-490A-AF93-8BC69A79D163
19
Ataony laolao ny hanina ary ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola hahazoana ny zavatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|514505AA-F8AC-4132-B083-7E27883CD3FC
20
Aza manozona ny mpanjaka na dia amin'ny eritreritrao aza; ary aza manozona mpanan-karena na dia ao anatin'ny efitra fandrianao aza; fa na dia ny voro-manidina aza anie ka hitondra ny feo, ary na dia ny manana elatra dia hanambara ny teny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|796033A4-B0E7-480B-86C1-B19268F540AE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany