Andininy
Protestanta Malagasy
10
Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, Notsongaina tamin'ny alinalina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5A81DB0-F63E-4B50-9EEC-55586AD16D71
11
Ny lohany dia toy ny tena volamena tsara; Ny volony dia milantolanto sady mangilohilo toy ny goaika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63652681-C315-42FB-B88A-491010147202
12
Ny masony dia tahaka ny voroma eo anilan'ny sakeli-drano, Mandro amin'ny ronono sady tahaka ny vato soa alatsaka an-tranontranony izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C66E4DEB-61FD-483F-939E-A5FF5F6C968C
13
Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, Dia tahaka ny tany navosaina misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia Sady mitete ranon'ny miora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5461272D-44F3-418E-B827-A9D1835DAAD8
14
Ny tànany dia tahaka ny anja-bolamena voaisy krysolita; Ny tenany dia tahaka ny ivory voarafitra tsara sady misarona safira;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F54C686-5244-48F1-A624-1F58A8AB48D5
15
Ny ranjony dia tahaka ny andry vatosanga Miorina amin'ny faladia tena volamena; Ny tarehiny dia tahaka an'i Libanona, Tsara toy ny sedera.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD43E249-DCA7-4198-9CE0-A716057FB914
16
Mamy dia mamy ny vavany, eny, mahate-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, Ry zanakavavin'i Jerosalema!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|902121B0-854A-44EB-81B6-817E6528F67D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany