Isaia 1: 2-15

Andininy
Protestanta Malagasy
2
Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DC699C7-5260-4A36-9124-7FE4DEF522DC
3
Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon'ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BAC622D-BC5E-42A5-896D-379BD29CAA52
4
Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an'i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin'ny Isiraely. Efa nihodina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA47D3B4-A565-41C3-AF13-D8A75DCD79D5
5
Nahoana no mbola ta-hasiana ihany ianareo noho izao fiodinanareo lalandava izao? Henika aretina avokoa ny loha rehetra, Ary marary ny fo rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E85F509-DB41-4B02-901E-68CC2EE9EF8F
6
Hatramin'ny faladia ka hatramin'ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin'ny diloilo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92D44E66-A914-4626-A843-56DE5B6C01F9
7
Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin'ny afo; Ny tany volenareo dia lanin'ny fahavalo* eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan'ny fahavalo*.[Heb. hafa firenena]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D14146E9-652C-413C-897E-10F37A689CAD
8
Ary Ziona zanakavavy dia nilaozana tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanim-boaloboka, Sy tahaka ny fandriana mihantona an'ny mpiandry voly ao anaty tanimbolim-boantango*, Dia tahaka ny tanàna atao fahirano.[voantangom-bazaha]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89989E22-56AC-43CD-9805-1619FF073EBB
9
Raha tsy nosisan'i Jehovah. Tompon'ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma Ary nitovy tamin'i Gomora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA017AFC-E586-44C3-80EF-D349DF4897EF
10
Mandrenesa ny tenin'i Jehovah, ry mpitsaran'i Sodoma; Mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ry vahoakan'i Gomora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B8761C6-1344-4D78-8D3E-B9575350F314
11
Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran'ny zanak'omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny an'ny zanak'ondry ary ny an'ny osilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1BC0553-1224-4519-B8E8-6D4583076EDF
12
Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DDEBF4B-0F85-4058-8216-300BC38D4C2C
13
Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D34A159E-11D8-4FE1-9B2D-1435AC9C84F5
14
Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan'ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13095C66-D4A2-4737-9A47-029D640AC633
15
Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran'olona* ny tananareo.[Heb. rà nalatsaka]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4517E1CF-FEC9-4B7A-B9B6-7ED80F0947B3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany