Andininy
Protestanta Malagasy
2
Manangàna faneva eo an-tampon'izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofay tanana izy hiditra amin'ny vavahadin'ireo mpanapaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C93A890-5DA6-4A74-AE1D-D579AB8868DD
3
Izaho efa nandidy ny nohamasiniko, eny, efa niantso ny lehilahy maheriko aho, dia ireo mibitaka amim-pireharehana, hahatanteraka ny fahatezerako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9CF69B8-9141-4F24-ADBD-E9B43A1E7A09
4
Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an'ny vahoaka be*! Dia ny fitabataban'ny fanjakan'ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon'ny maro, no manomana miaramila hiady,[Na: firenena lehibe]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49B14339-C910-429C-98D0-CD8AC2328103
5
Izay avy any amin'ny tany lavitra, any amin'ny faravodilanitra, dia Jehovah sy ireo fitaovan'ny fahatezerany, ho enti-mandrava ny tany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EE8D6B8-F05C-4FA1-AB83-6E7B7CBC62D8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany