Andininy
Protestanta Malagasy
1
Atero ny zanak'ondrin'ny mpanapaka ny tany, dia miala an'i Sela ka mamaky ny efitra hatramin'ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB4154A7-AB53-49C9-93EF-B8851A80E3F7
2
Ary tahaka ny vorona notairina niala tamin'ny akaniny ka mirenireny foana, dia ho toy izany ny zanakavavin'i Moaba ao amin'ny fitàna any Arnona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E82007F6-ECDB-4F9F-87A2-9A88F4CDF22A
3
Manolora saina, manomeza rariny ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin'ilay andro mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka, Ary aza aseho izay mandositra!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|626AE29F-BF55-41E5-AFD7-3232C21DE928
4
Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka ho fieren'i Moaba ianao*, mba tsy ho azon'ny mpandringana izy; Fa tsy misy intsony ny mpampahory, tapitra ny loza, tsy misy amin'ny tany intsony ny mpanosihosy.[Na: Aoka ho fereny ianao ry Moaba]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B144F31-7B74-4EAE-B2D9-6A8C87898F20
5
Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin'ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin'ny fahamarinana ao an-dain'i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B314494-9F26-495C-BAF8-6A4904E4F29C
6
Efa renay ny fiavonavonan'i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E92460D3-6C48-448D-897C-9AB7BE35C061
7
Ary noho izany dia ho indray midradradradra Moaba, eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa hitomany ny ampempam-boalobok*'i Kira-haresa ianareo ka ho ory indrindra.[Na: faharavany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6AB2A7C-C864-4433-BF5C-015052E2E78F
8
Fa malazo avokoa ny sahan'i Hesbona sy ny voalobok'i Sibma, norantsanan'ny andrian'ny firenena ny sakeliny*, tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, ny sampany nandadilady ka tafita ny ranomasina. [Na: Dia ireo izay nankaleo ny andrianan'ny firenena ny sakeliny]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52077D29-D399-4395-B382-BEAD860F0D38
9
Koa izany no hitomaniako ny voalobok'i Sibma, toy ny fitomanian*'i Jazera, handena anao amin'ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin'ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.[Na: fitomaniana an'i]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E886E9B7-31E6-4F45-BE90-6EBFC63BA83B
10
Ny hafaliana sy ny haravoravoana efa nesorina tamin'ny saha mahavokatra, ka tsy hisy hoby na horakoraka ao amin'ny tanim-boaloboka; Ny mpanosihosy tsy hanosihosy divay intsony ao amin'ny famiazana; Efa natsahatro ny fihobiana amin'ny fararano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|588A6206-A8FC-4FA3-95A8-15CEED8D5761
11
Ary noho izany ny tsinaiko dia mitaraina manao feon-dokanga noho ny amin'i Moaba, ary ny ato anatiko noho ny amin'i Kira-haresa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCA241BF-7E91-49BA-883D-775ABDE90AC8
12
Ary rehefa miseho Moaba ka sasatra ao amin'ny fitoerana avo. Ary mankao amin'ny fitoerany masina mba hivavaka, dia tsy hahazo na inona na inona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0359D616-33EB-4353-96EB-8DCAF6CB8C17
13
Izany no tenin'i Jehovah nataony fahiny ny amin'i Moaba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F83EF3A-E18C-46B4-9672-9470CC288105
14
Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin'ny telo taona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr'i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany*; ary izay sdia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.[Na: ny hareny]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBFD6450-4885-44B4-924A-05950839F299
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany