Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny teny izay hitan'Isaia, zanak'i Amoza, ny amin'ny Joda sy Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AED1E11-A366-4168-8A00-EF2CBDA5F552
2
Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilrehetra hitanjozotra hankany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4DCD585-128F-4D4A-90D4-E0A62B72811B
3
Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A924A15E-FCCD-4441-BBFD-40BE4DC269D9
4
Ary hitsara ny adin'ny jentilIzy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61549AF9-5EF1-40CC-962F-D2F711B40FA1
5
Ry taranak'i Jakoba, Avia, ary aoka isika handeha amin'ny fahazavan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C51760C0-5C08-41AB-8E56-CD23AC57F184
6
Fa efa nanary ny taranak'i Jakoba olonao Hianao, Satria feno ny fanao avy any atsinanana izy Ary efa mpanandro tahaka ny Filistina Sady efa be* zana-bahiny.[Na sady efa nanao fanekena tamin'ny]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA78E48B-6A69-4F31-A624-8FB043A99C43
7
Ary ny taniny dia feno volafotsy sy volamena. Sady tsy hita lany ny hareny; Ary ny taniny dia feno soavaly, Sady tsy hita ny kalesiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|121EC1EA-27C5-457E-B163-0F6FC2CBBB75
8
Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan'ny asan'ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon'ny rantsan-tanany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4B625ED-CD87-4A01-9A50-C3735B31B49F
9
Koa ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary aza mamela ny helony Hianao!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|604E94A8-3598-435F-A802-30C520CD1D61
10
Midira ao amin'ny vatolampy, Ary miere ao amin'ny vovoka Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF8195E8-2C9A-4F3A-8C49-2E646982806B
11
Ny fiandranandran'ny mason'ny zanak'olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan'ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D507AD92-481B-4CF6-8493-162587371BA0
12
Fa misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65FE3901-0126-4324-AC7B-939ABFF4C119
13
Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra any Basana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44B45E38-92CD-4EE0-94B9-8ECAE8B65874
14
Sy ny tendrombohitra avo rehetra Sy ny havoana andrandraina
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8F5CB1F-D065-42CD-A037-3C27086C74E5
15
Sy ny tilikambo miringiringy rehetra Sy ny manda mafy rehetra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BF545D6-ED75-4692-BE0B-E8D0F196E06D
16
Sy ny sambon'i Tarsisy rehetra Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DBF9EC6-B7ED-43AD-92D1-6961C672DDCC
17
Ary ny fireharehan'ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan'ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CBD6C6B-B6E8-4A9A-8B50-C718E5A4EFD4
18
Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21208287-EE3F-4415-9D99-2F9CE3644619
19
Ary hiditra ao amin'ny zohy sy ny lava-bato ny olona Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|611E81E0-54A3-4D54-A9DE-BA52AFC03CF0
20
Amin'izany andro izany dia harian'ny olona Ho an'ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A91509DF-4A58-4E68-B019-FF1FB4D3DEEA
21
Mba hidirany eo amin'ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F8F16E9-A24A-43F0-B90C-08FBACA6A005
22
Mitsahara, fa aza mitoky amin'ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCF2ADCF-267B-4CDD-A329-A5653339D556
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany