Andininy
Protestanta Malagasy
1
Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Tyro. Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany amin'ny tany Kitima no nanambarana izany taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E48F199A-F7AC-43C8-B252-76B37B81631D
2
Mangina, ianareo mponina amoron-tsiraka! Ny mpandranto avy any Sidona, Izay mandeha eny ambonin'ny ranomasina, no efa nampanan-karena* anao.[Heb. nameno]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B01173DF-7FB7-44F8-905A-444058137CAB
3
Teny amin'ny rano be ny varin'i Sihora, dia ny vokatr'i Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary tonga tsenan'ny firenena izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA09FBC3-91F5-4D94-8255-F7AC8B6E9C3C
4
Aoka ho menatra ianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24E8FA4A-738A-4E8D-AE04-5F614AE2D8CF
5
Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an'i Tyro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2897695-5630-4F32-8937-D0638DA3E5E8
6
Mità ho any Tarsisy ianareo; Midradradradrà, ry mponina amoron-tsiraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FEE7849-A747-4D1D-931B-CF956D0F3917
7
Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo*, izay efa naorina hatry ny fony fahagola sady nentin'ny tongony hivahiny any lavitra any? [Izao va no tanànanao miravoravo?]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A9FEB2E-01F3-414A-AE47-43D90E2522B8
8
Iza no nikasa izany hamelezana an'i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin'ny tany ny mpivarony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D395B3DA-8902-41A4-B56B-F8F85FE3A5FD
9
Jehovah, Tompon'ny maro, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonan'ny voninahitra rehetra, sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C993574-7C33-417E-A8F0-F7B335B1B731
10
Ry Tarsisy zanakavavy, aoka ianao hanafotra ny taninao tahaka an'i Neily; Fa tsy misy fifehezana* intsony.[Heb. fehin-kibo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|796AC89C-EC59-46E6-9B76-EF97401860A2
11
Ny tànan'i Jehovah nahifiny tambonin'ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin'i Kanana, mba horavana ny fiarovany mafy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BBCA8E0-DAE8-4996-B010-72F3F84937D3
12
Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93F64D51-5646-4757-B1E4-543748460F69
13
Indro ny tanin'ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon'ny Asyriana fonenan'ny bibi-dia any an-efitra*; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan'ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato.[Na: Indro ny tanin'ny Kaldeana, Izay tsy mbola firenena fahiny, Fa ny Asyriana no nanorina azy ho an'ny mponina any an-efitra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5261AEE5-12DC-4711-B0AC-1F303C6DDE07
14
Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava ny fiarovanareo mafy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|301AF40B-9246-43BF-AFD9-F2016EB46730
15
Ary amin'izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, toy ny andron'ny mpanjaka iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan'ilay tonon-kalon'ny janga manao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08563E5C-C341-42AF-90C6-868AEDB8A34D
16
Makà lokanga, ka miveziveze eran'ny tanàna ianao, ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1995139A-6EEB-472A-93FC-08A13540C282
17
Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an'i Tyro, ka dia hiverina amin'ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin'ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F21DCB81-355C-46EF-A513-63EC79DE399D
18
Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an'i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an'izay mitoetra eo anatrehan'i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika*. [Na: mateza]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F066CB47-C40B-49A5-8CDD-1C27477C2679
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany