Andininy
Protestanta Malagasy
1
Amin'izany andro izany dia hohiraina eto amin'ny tanin'ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; Famonjena no hotendren'i Jehovah ho manda sy fiarovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7873E97E-EAA2-4ADF-AB17-6A595916251F
2
Vohay ny vavahady, mba hidiran'ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6337E09A-EBCB-41EE-84CF-A3B83474E9CE
3
Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin'ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|401A5192-3B97-4838-B2D4-043CD5E8B22A
4
Matokia an'i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01D476E1-DCA7-48BF-9DAA-EF5AB68DFC28
5
Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin'ny tany ka :azerany ho amin'ny vovoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0B476DB-8E65-42E7-92EA-B75B7F0DDA2B
6
Hitsahin'ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian'ny mahantra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00743A68-A76E-4B5F-B5B8-8AA6726C2F1C
7
Voaravona ny lalan'ny marina: Eny, aravonao ho marina indrindra* ny alehan'ny marina.[Na: Hianao, Izay mahitsy, no manamarina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F21ED24-075E-4D4D-B8F5-9BFF65030FA3
8
Koa amin'ny lalan'ny fitsaranao, Jehovah ô, no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin'ny fanahinay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F99CF4EB-69D4-420F-B10F-38B8EFBFCF00
9
Amin'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68E5AAAE-9917-4275-8EDC-D17ADB86F6A2
10
Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin'ny tanin'ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|039285A8-7EFD-4795-AF97-2B5DED0595E6
11
Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren'ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin'ny olonao*, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao. [Na: Hijery ihany anefa izy ka ho menatra noho ny fialonany ny olonao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76A955AA-44FF-4845-B386-EA0CC5B4404B
12
Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FFCC139-6DD6-4F61-8891-EAA5DE0DEBA7
13
Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFB9E8A9-3E53-46A9-825D-2D05AB8D5AA8
14
Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A040E99-210F-4D85-B2F5-4F6E1E5AD7AE
15
Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8674B19F-6091-41A5-B070-4A8185BC553C
16
Jehovah ô, nony azom-pahoriana izy, dia nitady Anao; Nony niharan'ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1E18265-9D68-4828-A9D1-FC9CF6F0BE7B
17
Tahaka izay bevohoka efa madiva hiteraka ka miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany, dia tahaka izany izahay teo imasonao, Jehovah ô,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97298BBE-FB82-439E-BA93-F0C690A5EAE2
18
Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, Efa tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy nahavita famonjena ho an'ny tany izahay, ka tsy niteraka ny mponina amin'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B99FCDB9-B33E-4356-97F5-4FDDE6C90CAE
19
Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin'ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin'ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon'ny fahazavana*, ary ny tany hiteraka ny maty**. [*Na: ando amin'ny anana][**Heb. ny matoatoa]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72471A71-35B5-4FBA-A586-3F2AE46B25E6
20
Mandehana, ry oloko, midìra ao amin'ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja Mandra-pahalasan'ny fahatezerana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60848896-5232-4340-8DE4-1E381A326436
21
Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin'ny fitoerany hamaly ny mponina amin'ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDAAEE4F-A0DC-4177-8640-DFBF28B55C93
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany