Andininy
Protestanta Malagasy
1
Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E0D8826-009D-4AE2-A2D2-4749E43F194F
2
Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Hianao no antenainay*; Aoka ho sandrinay isa-maraina ianao sy ho famonjena anay amin'ny andro fahoriana. [heb. sandriny]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20B1BE53-01EA-4578-97CB-2897F7EF994F
3
Ny feon'ny fitabatabana no mampandositra ny firenena; Raha misandratra Hianao, dia mipariaka ny jentilisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7B5AB26-A806-4787-AF6D-B4E480716857
4
Ary ireny handevona ny babonareo tahaka ny fandevon'ny valala, tahaka ny fifanaretsaky ny kalalao no fifanaretsany eo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C602AC48-619F-4DAF-8FA4-8A59687F9359
5
Manerinerina Jehovah, fa mitoetra any amin'ny avo Izy; Nofenoiny rariny sy fahamarinana Ziona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78EC1F26-F349-4B46-9D9D-DBCB22FFCCBF
6
Ary hisy andro tsy manam-piovana ho anao, eny, haren'ny famonjena sy ny fahendrena ary ny fahalalana; Ny fahatahorana an'i Jehovah no rakitrao*. [Heb. rakiny]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB214715-57CC-4BD9-A2F5-49F2FF137F27
7
Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; Ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C222C7A4-EF3B-4EA6-BD68-FDDC821DEAA0
8
Maty ny lalambe; Tsy misy ny mpandeha; Nofoanany ny fanekena; Nalany baraka ny tanàna; Tsy nanaja olona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEF07E41-D3A3-43ED-9117-F56166D45BC4
9
Misaona ny tany ka milofika; Menatra Libanona ka malazo; Efa tonga tahaka ny tani-hay Sarôna, Ary manintsana Basana sy Karmela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6929060-C8E3-4DA4-8A5F-49FB4B25F88C
10
Ankehitriny dia hitsangana Aho, hoy Jehovah; Ankehitriny dia ho any amin'ny avo Aho; Ankehitriny dia hisandratra Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25694814-AD47-4837-B88C-B70A10125FDE
11
Torontoronina bozaka ianareo ka miteraka vodivary; Ny fofonainareo dia tahaka ny afo handevona anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F72D372F-E302-45F3-8F4A-CA22238A255E
12
Ary ny firenena ho tahaka ny fandoroan-tsokay, eny, ho tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra amin'ny afo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56D2E30E-8E5F-4035-8D15-EF644153D673
13
Mihainoa ny amin'izay efa nataoko, ianareo izay lavitra, ary aoka hahafantatra ny heriko ianareo izay akaiky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB497860-8283-4C13-A371-682AE4386A13
14
Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy*. Iza amintsika no hahatoetra amin'ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin'ny lelafo mandrakizay? [Na: ratsy fanahy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D70C8239-F285-4B7C-92FD-94B9AB1E7057
15
Izay mandeha amin'ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin'ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadiny mba tsy handrenesany ny amin'ny fandatsahan-drà sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C853B6D-15F7-42BD-B1B7-5765C0EC819D
16
Izy no honina ao amin'ny avo; Ny fitoerana avony dia ny fiarovana any amin'ny harambato; Izay hohaniny dia homena azy, ary ny rano hosotroiny tsy ho diso.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A77614C-7201-4892-A4B2-F8C6B73ACF52
17
Ny masonao hahita ny mpanjaka amin'ny hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9777376-8FA9-42FB-9FB6-85C324564F1A
18
Hotsaroan'ny fonao ilay nahatahotra: Aiza ny mpanoratra ? Aiza ny mpandanja? Aiza ny mpanny tilikambo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73514BBC-1E18-430C-863C-21359BFF2F5D
19
Ny firenena misetrasetra dia tsy ho hitanao intsony, dia ilay olona miboediboedi-piteny ka tsy fantatra, na ny lela mikodedidedy ka tsy azo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9129AF78-F1D2-4A92-A74E-4B577B8C71AB
20
Tsinjovy Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin'ny fotoam-pivavahana; Ny masonao hahita an'i Jerosalema ho fonenana mandry fahizay, dia lay izay tsy hafindra, ny tsimatra aminy tsy hongotana mandrakizay, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AC2086E-F6B5-4A44-9556-9C498D2A689C
21
Fa Jehovah dia mahery ho antsika any, tany be ony sy lahin-drano lehibe any, nefa tsy halehan'ny sambo voizina, na hovakin'ny sambo lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89FFEA23-9DE6-4FB3-BD63-4B23FFC656E6
22
Fa Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no mpanome lalàna antsika; Jehovah no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43E11A26-B5E7-4343-8F6E-90AE162423F3
23
Mivaha ny mahazakan-tsambonao; Tsy mahahazona mafy ny fiorenan'andry izy, na mahavelatra ny lay; Fa amin'izay kosa dia hozaraina ny zavatra be voababo; Na dia ny mandringa aza dia mba hahazo babo ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BBB4BC6-CB39-42C0-9351-8D0DFB8213B3
24
Tsy hisy amin'ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; Ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5BE5584-84E4-4812-8D34-802C53F7FD87
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany