Andininy
Protestanta Malagasy
1
Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AFD1A5A-3ABB-472E-820A-F9D69FD045B2
2
Fa Jehovah dia tezitra amin'ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin'ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana* ireo ary natolony hovonoina.[Heb. hatao herema]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDD54091-BBE3-414E-948A-E385BA6ED784
3
Ary izay voavono amin'ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon'ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon'ny ràny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F41775A4-52C3-43E3-AED9-7C741DA9274B
4
Izay rehetra eny amin'ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon'ny ravina mihintsana avy amin'ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin'ny aviavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|297AA989-69BB-4FCC-B68E-5E6B7A490C21
5
Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin'ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin'i Edoma iny sy amin'ny firenena voatendriko haringana*, mba ho fitsarana azy. [Heb. hatao herema]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E019671-EE81-4DFE-8E43-DD4906446C2E
6
Ny sabatr'i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin'ny matavy sy amin'ny ran'ny zanak'ondry sy ny osilahy ary amin'ny fonomboan'ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin'ny tany Edoma.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15C6ACEE-EF0D-4FD0-8176-131E8031755D
7
Ary ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin'ny vantotr'omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovo-taniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|913F66CC-3D29-422A-8F20-EDDB2F5D73E7
8
Fa Jehovah manana andro famaliana, dia taona famaliana hiadiana ho an'i Ziona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92B9BE23-4004-4DD2-8FBE-2D8952E674C4
9
Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BD57280-24C0-40DA-AB4D-376A6615E6BA
10
Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14D8AE56-AC89-4134-A4F6-DB957A009300
11
Fa ho zara-tanin'ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina fikorontanana sy ny pilao fahafoanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB320E2D-4CDA-428E-A45E-41239F974D6B
12
Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka*, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy. [Heb. hiantso ny fanjakana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44D17936-80DD-447C-8C8A-FCD30036FAEF
13
Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin'ny lapan'ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin'ny trano fiarovany; Ary ho fonenan'ny amboadia* sy fitoeran'ny ostritsa izy. [Heb.jakala]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EDA6418-29DD-4CA4-96AB-4F48F4FA41C1
14
Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin'ny kary*; ary ny osilahy** hiantso ny namany; Ary ilay mandehandeha amin'ny alina*** hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy.[*Na: jakala][**Heb. seirima; izahao Lev. xvii. 7][***Heb. lilita]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE24FAB5-6977-4BDB-BA31-B68AD78A5C11
15
Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin'ny alokaloka any; Any koa no hiangonan'ny papango, samy eo amin'ny namany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC0223CF-E7C9-482F-AFCE-862BD6B05ADB
16
Izahao ao amin'ny bokin'i Jehovah, ka vakio; Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; Fa ny vavan'i Jehovah* no nandidy izany, ary ny fanahiny ihany no nanangona azy.[Heb. vavako]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF97CC3E-F4D2-4E7B-A0F2-B3185D9D0FD1
17
Ary Izy no efa tinendry anjara ho an'ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an'ireo tamin'ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin'ny taranaka fara-mandimby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FA44EEB-DB5B-4FF0-BD79-85DDB254390B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany