Andininy
Protestanta Malagasy
4
Lazao amin'izay reraka* am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian'Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo. [Heb. maimaika]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34D6324D-F3A0-4274-8FA3-764CB5E13DBD
5
Dia hampahiratina ny mason'ny jamba, ary hampahaladina ny sofin'ny marenina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BD2EA15-30B7-46AE-A146-B58C3F4763EA
6
Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan'ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin'ny tany karankaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5223241C-444C-4F84-B506-0BA94E03CA1D
7
Ny alonalona mitarehin-drano* dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan'ny amboadia** dia haniry volotara sy zozoro.[*ny miraja][**Na: jakala]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D74B27F8-8376-44F2-9FF6-00FFE1D442D5
8
Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan'ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy* ka izay mandeha amin'ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza. [Na: Fa ho an'ireo izy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BCB3DF3-9BD0-456B-8FE4-0A44F3213C09
9
Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran'ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE7F8C59-28F5-4E49-B12E-8B1FB1087E99
10
Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2831D700-08CA-4247-9F18-B4FCDE0B33A6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany