Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5C56BEE-297D-4624-878A-D5198ED34BB5
2
Amin'izany andro izany ny rantsan*'i Jehovah dia ho tonga fahatsaran-tarehy sy voninahitra, Ary ny vokatry ny tany dia ho rehareha sy firavaka ho an'ny Isiraely safaka; [Na: solofon']
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37710C43-39AB-4819-A895-5259401F59C4
3
Ary izay sany Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masina. Dia izay rehetra voasoratra ho isan'ny velona any Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83938255-43F8-434B-8487-021E43B97A21
4
Rehefa voasasan'ny Tompo ho afaka amin'ny fahalotoany ireo zanakavavin'i Ziona, Ary rehefa voadion'ny fanahy fitsarana,sy ny fanahy fandringanana Jerosalema, Ho afaka amin'ny ran'olona nalatsany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C64CF0C9-9821-4F50-A9B2-24757ADD4130
5
Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro Sy fahazavan'ny afo midedadeda nony alina Ho eny ambonin'ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona Sy ho eny ambonin'ny fivoriany rehetra; Ary eny ambonin'ny voninahitra rehetra dia hisy eloelo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7CC0760-7FB1-40D6-B464-629871E83E9D
6
Ka hisy trano-lay ho fialokalofana amin'ny hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy fierena amin'ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28D22727-8F0E-4D14-A047-DAE20919BCD8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany