Andininy
Protestanta Malagasy
18
Mihainoa ianareo, ry marenina; Ary mijere, ry jamba, mba hahita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42C30992-1B2C-4499-B5F8-306AB72342F1
19
Iza no jamba, afa-tsy ny mpanompoko? Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Iza no jamba tahaka ny sakaizan'i Jehovah, ary jamba tahaka ny mpanompony?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1794655A-4E31-48D8-8284-09DFE74A7826
20
Mahita zavatra maro ianao, nefa tsy mitandrina; Manongilana ny sofiny izy, nefa tsy mihaino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1089FA5C-39ED-4F88-B1EE-7F47D4584BC6
21
Sitrak'i Jehovah noho ny fahamarinany ny hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5603A20-2F42-40E9-BA75-333EDEF51901
22
Kanefa ity dia firenena nobaboina sy norobaina; Voafandrika ao an-davaka avokoa izy rehetra ary voàfina ao an-trano-maizina; Voababo izy, ka tsy misy mamonjy; Voasambotra izy, ka tsy misy manao hoe: Ampodio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E449559-E8B5-400F-8B45-F98EB08616DA
23
Iza aminareo no hihaino iza-ny? Iza no handre, dia hitandrina izany amin'ny andro ho avy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64796EE6-CD59-4260-B3D9-5428F8275DFE
24
Iza no nanolotra an'i Jakoba hosamborina, ary Isiraely ho an'ny mpamabo? Tsy Jehovah, Izay efa nanotantsika va? Satria tsy nety nandeha tamin'ny lalany ireo, sady tsy nety nihaino ny lalàny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E975681-53CD-42E5-B5C4-A03AB316C1B5
25
Ka dia nalatsany taminy ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan'ny ady; Dia nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; Ary nandoro azy, nefa tsy noheverin'ny fony
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67AD075C-7A2D-436A-A286-603CB141E486
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany