Andininy
Protestanta Malagasy
1
Mialà, ka mipetraha amin'ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin'ny tany, fa tsy amin'ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|138FBAD2-C332-4FEE-9935-6EC96252AE90
2
Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr'akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|130DDD68-179A-44E5-BC71-5764A448A2EA
3
Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona*.[Na: tsy hiera amin'olona; na: tsy hihaona amin'olona]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEE61C8C-75B6-4D30-AEA6-1890D06C4A24
4
Ny anaran'ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon'ny maro, Iray Masin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|174B41CF-0A2C-488A-B25C-C6E21918AB82
5
Mipetraha mangingina, ka midìra ao amin'ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin'ny fanjakana intsony ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1265A6C-5A30-4E8A-B44B-8A7955B4A6BE
6
Tezitra tamin'ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0695917C-3E99-40AD-94E0-8DDC99358847
7
Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A861E53C-6CC3-4965-A135-03656BDA6C8E
8
Koa mihainoa, ianao izay mihantahanta sady mipetraka tsy manana ahiahy ka manao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; tsy hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita fahafoanan'anaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E93F81BA-31A9-4EED-B559-7416E842B75E
9
Kanjo hanjo anao tampoka amin'ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan'anaka sy ny fananoan-tena; Hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8564981D-9D89-43FA-82C0-8EC8321FCDD8
10
Fa nitoky tamin'ny faharatsianao* ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.[Na: hafetsenao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E99B278E-BE5D-41DA-B5E8-879A13C3CE56
11
Kanjo hanjo anao ny fahoriana, nefa tsy ho fantatrao izay fanafany*; Ary hahazo anao ny loza, nefa tsy ho hainao ny fanàlany; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana izay tsy ampoizinao.[Na: iposahany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01C3D8DE-E44F-45A4-AC1F-B57F5ADF21B9
12
Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan'ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA76BDDE-EC9C-4865-817E-7FB54EA807EB
13
Sasatra noho ny hamaroan'ny fisainanao ianao; aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra* ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao**. [*Heb. mpizarazara] [*Na: Aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao amin'izay hanjo anao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47F76CBC-5CCE-4F45-B53D-F2D9616B3369
14
Indro, fa ho tahaka ny vodivary ireo; ho main'ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin'ny herin'ny lelafo akory; tsy misy vainafo hamindroana, na afo hitaninana aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64907D61-FE99-4D44-82E8-9A694185F71A
15
Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin'ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3829F3C9-547A-4439-AD8E-0E233AA6AE40
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany