Andininy
Protestanta Malagasy
1
Mihainoa, ry taranak'i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin'ny anaran'Isiraely sy avy amin'ny loharanon'i Joda, ianareo izay mianiana amin'ny anaran'i Jehovah ary mankalaza ny anaran'Andriamanitry ny Isiraely, kanefa tsy araka ny marina, na araka ny hitsiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1186A67B-47A0-4CCC-9658-2DB14956CA3A
2
Fa milaza ny tenany ho avy amin'ny tanana masina izy ka miankina amin'Andriamanitry ny Isiraely; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F25A9AA-4878-4548-8FB5-A0E2BFFC5EC0
3
Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin'ny fahiny, ary naloaky ny vavako izany sady nambarako; Tampoka no nanaovako izany, ary tonga izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|742FC0EA-9A95-4336-971A-B90D5B509F19
4
Satria fantatro fa maditra ianao, ka ozaby ny hatokao, ary varahina ny handrinao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9D485D8-A7C9-4696-9E7E-5A756964EE22
5
Dia nambarako taminao hatramin'ny fahiny izany, eny, fony tsy mbola tonga aza izany, dia efa nambarako taminao rahateo, fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany, ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra anidina no nandidy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D231ED2-C7A6-4667-84CF-1A36B7462398
6
Efa renao, ka dia jereo izany rehetra izany, moa ianareo tsy hanambara izany va? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin'izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8FEFF15-FE91-4373-8098-A5456A3CEC8B
7
Vao izao no namoronana azy, fa tsy hatramin'ny fahiny, ary tsy mbola nandre azy ianao talohan'ny andro anio, fandrao ianao hanao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7501C32-D816-4619-A585-847D7714BE83
8
Fa tsy nandre na nahalala ianao; Eny, hatramin'ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao; fa fantatro fa tena mpivadika ianao sady natao hoe mpiodina hatrany an-kibo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA4285BE-B9EC-4F87-8689-CEBDC658A9D9
9
Noho ny anarako dia ononiko ny fahatezerako, ary mba hiderana ahy dia manindry fo aminao Aho, mba tsy hamongorana anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D94A0924-2D87-424E-B576-B27CE3CB29D8
10
Indro, nodioviko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; Efa nizaha toetra anao tao amin'ny memy fahoriana Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F218FFC-075B-4E6D-BD97-25DAA1834F0D
11
Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|865D8FDB-108A-4C6E-9B00-F00F4140A602
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany