Andininy
Protestanta Malagasy
1
Mihainoa Ahy, ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra; Jehovah efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; Hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon'ineny no efa nankalazainy ny anarako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E6745C4-40CA-4BEC-AB96-24E37159B717
2
Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin'ny aloky ny tànany no nanafenany Ahy. Ary nataony zana-tsipìka voalambolambo tsara Aho; teo amin'ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C163DFA-546C-40A8-BE2C-0357460CCF9F
3
Ary hoy Izy tamiko: Mpanompoko Hianao, ry Isiraely ô. Izay entiko mampiseho ny voninahitro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B89E8BD7-E642-4841-A702-6E670B8AE275
4
Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin'i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, Ary ny valin'ny asako dia ao amin'Andriamanitro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86F39280-D7BF-450F-9463-C306423711E6
5
Ary ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (Fa mahazo voninahitra eo imason'i Jehovah Aho, Ary Andriamanitro no heriko),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|567AB6C7-5C91-4CAA-BC92-34A937290C4C
6
Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen'i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely svoaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilkoa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin'ny faran'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DC121A2-1C67-4054-8C35-EBBADE3E5008
7
Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra ny Isiraely, dia ny Iray Masiny, Amin'Ilay hamavoin'ny olona sy halan'ny firenena ka tonga mpanompon'ny mpanapaka: Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin'i Jehovah, Izay mahatoky dia ny Iray Masin'ny Isiraely, izay efa nifidy Anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84471A6A-25F1-44C8-B490-A5055575BF99
8
Izao no lazain'i Jehovah: Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko Anao; Dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CACA9531-EBC4-498E-93EB-E9D5BC65B204
9
ka hanao amin'ny mpifatotra hoe: Mivoaha, Ary amin'izay ao amin'ny maizina hoe: Misehoa; hihinana eny an-dalana izy, ary na dia any an-tendrombohitra mangadihady aza dia hisy ahitra ho azy ihany; .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF524E63-2CD1-4C7F-AAED-A475327B454C
10
Tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin'ny loharano miboiboika no hitondrany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7BAF7EF-4D75-43E9-A9B5-99657F04D785
11
Hataoko lalana ny tendrombohitro rehetra, ary hasandratra ny lalambeko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|414CC30A-4838-40C3-BC67-70D653F77FAA
12
Indreo, tonga avy lavitra ireto; ary, indreo, avy any avaratra sy andrefana ireto, ary avy any amin'ny tany Sinima ireto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84A829D4-760F-4296-9035-1DB605D4B4EB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany