Andininy
Protestanta Malagasy
4
Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin'i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, Ary ny valin'ny asako dia ao amin'Andriamanitro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86F39280-D7BF-450F-9463-C306423711E6
5
Ary ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (Fa mahazo voninahitra eo imason'i Jehovah Aho, Ary Andriamanitro no heriko),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|567AB6C7-5C91-4CAA-BC92-34A937290C4C
6
Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen'i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely svoaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilkoa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin'ny faran'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DC121A2-1C67-4054-8C35-EBBADE3E5008
7
Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra ny Isiraely, dia ny Iray Masiny, Amin'Ilay hamavoin'ny olona sy halan'ny firenena ka tonga mpanompon'ny mpanapaka: Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin'i Jehovah, Izay mahatoky dia ny Iray Masin'ny Isiraely, izay efa nifidy Anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84471A6A-25F1-44C8-B490-A5055575BF99
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany