Andininy
Protestanta Malagasy
1
Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masina; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC1680E2-2C34-4E3B-BC41-8E2D93387451
2
Ahintsano ny vovoka hiala amin'ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin'ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECF74184-8E0E-48D9-BAC1-CE1A9FEDE573
3
Fa izao no lazain'i Jehovah: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BEFB077-9FC9-4D5B-8031-D86249E23634
4
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tany Egypta no nidinan'ny oloko tamin'ny voalohany mba hivahiny tany; Ary ny Asyriana koa nampahory azy tsy ahoan-tsy ahoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB0D1CAB-2FCB-4457-947A-BA6136D933FA
5
Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FDAE285-7223-4366-B015-249A0A62345A
6
Koa ny oloko dia hahalala ny anarako; Eny, amin'izany andro izany* dia ho fantany fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho.[Na: Eny, ho fantany amin'izany andro izany Aho]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A4A68BB-A702-4209-871E-9346B6A71AED
7
Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly ery an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin'i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A77E8B9-9DBB-4AAB-8E29-CB1AC7CD3291
8
Injany ny feon'ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian'i Jehovah ho any Ziona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D84EEA57-39A7-4E3C-9B86-E7456D17BC44
9
Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an'i Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24C78061-3457-4F18-9E02-FF29039CFCA4
10
Jehovah efa nampiseho* ny sandriny masina teo imason'ny firenena rehetra; ary ny faran'ny tany rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitsika. [Heb. nampitanjaka]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA81F857-84EE-4BCD-A2F1-EB9D6D922B9D
11
Mialà, mialà ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, ianareo izay mitondra ny fanak'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40CC7357-EB3B-41E9-9B7E-A977660B5552
12
Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86E2A826-573D-422E-8401-3AA23CB353D3
13
Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry*, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra. [Heb. hambinina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|641CDDB0-C1D5-45D7-8B47-2A3AD3893BA3
14
Fa toy ny nigagan'ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin'olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak'olombelona),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82DE2CD7-C156-4E27-B4C7-35D1EAA13FC5
15
Dia toy izany no hampihendratrendratany* ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin'ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy. [Heb. hanafànany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02DC289D-E335-46EA-B172-A0B36051B23D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany