Andininy
Protestanta Malagasy
3
Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana*, Ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.[Heb. lehilahy be fanaintainana sady fantatry ny faharariana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8EACD07-07B5-43FD-880A-3E01B57D258D
4
Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika*; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina.[Heb. fanaintainantsika]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3047294-4BD0-4704-B45A-BE354F8EF625
5
Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana* nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. [Heb. famaizana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02C1DE12-06D6-4668-AE33-1632B862F007
6
Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin'ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon'i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DD27CCF-2256-4966-9E8A-456F87E5B049
7
Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak'ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan'ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40A7121B-8BC2-463B-AC77-7FF308481299
8
Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy*; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra** fa nofongorana niala tamin'ny tanin'ny velona Izy, ka ny fahadisoan'ny oloko no nikapohana Azy? [*Na: Nalaina niala tamin'ny fampahoriana sy ny fitsarana Izy][**Na: Ary iza no nihevitra izay ho taranany?]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAC59FB7-DE67-4398-97FA-1700119595F6
9
Ary nokasaina hatao tao amin'ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin'ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina)*, na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany. [Na: Sy ho eo amin'ny mpanankarena, rehefa novonoina Izy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3451819-D045-416C-8C19-F30AA0D3A249
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany