Andininy
Protestanta Malagasy
7
Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao; fa amin'ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D42C3184-D7B4-4AB2-AB01-0C17F43E604F
8
Tamin'ny firehetan'ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin'ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F52035E9-D866-464F-971D-7662E28CA92D
9
Fa amiko izany dia tahaka ilay ranon'i Noa, ka toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon'i Noa. Dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|146D5DE7-C152-4167-9A10-5215C11D29EE
10
Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-peko, ary tsy hitsoaka ny faneken'ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|819ADF05-F193-487C-BEF2-509191738F4C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany