Andininy
Protestanta Malagasy
7
Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin'ny namanao* ianao? [Heb. hiery ny nofonao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83B1E28F-7643-49CB-AC8B-2CB4B7DC0314
8
Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan'ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr'i Jehovah ho vodi-lalanao
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B29C0AE-6950-4C0E-AA38-0A29603F5EA1
9
Ary amin'izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan'ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1547AAF6-E7EB-4F1E-B5C7-D62ABC67B2BC
10
Ary afoinao ho an'ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin'ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70992C4C-53EC-4CEE-B8FC-9FD62001EAE1
11
Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin'ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|415808F9-AAB1-4F6A-9164-4C18C4D37880
12
Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CF2BE8F-7AB7-4169-9D3F-4FC7D3198EC2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany