Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia tahaka ny fandevon'ny afony tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano mba hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny jentilisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33764062-6878-43C8-BE81-B3A69EEDAD00
2
Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Hianao, dia nidina, ka nihorohoro* teo anoloanao ny tendrombohitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F7D8318-4020-495C-8097-BFF001F6C01D
3
Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola ren'ny olona, na nohenoiny, Na hitan'ny masony, Izay Andriamanitra miasa ho an'ny miandry Azy afa-tsy Hianao. [Na: niempo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D0E56BD-DA03-4325-8B85-A78B644814D2
4
Mitsena* izay mifaly hanao ny marina Hianao, dia izay mahatsiaro Anao amin'ny lalanao; indro, Hianao dia tezitra, ary hita fa meloka** izahay; Hatramin'ny ela dia izany no toetray, ka dia hovonjena va? [*Na: Miantra][**Na: ary efa nanota]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E82F350-A8CF-4D81-9233-82E3ABC22C06
5
Fa samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra; Malazo tahaka ny ravina izahay rehetra, ary ny helokay mipaoka anay tahaka ny rivotra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3CA7E4F-61B6-4A28-B2E9-D30BEB684349
6
Tsy misy miantso ny anaranao, na mifoha hifikitra aminao; fa efa nanafina ny tavanao taminay Hianao ka nandevona anay noho ny helokay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B5B3FF5-A698-4B17-AA15-D33E2E15E381
7
Fa ankehitriny, Jehovah ô, rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan'ny tananao izahay rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11A42609-57BE-44D2-A39C-F0CC6E08EFF1
8
Aza dia tezitra mafy loatra, Jehovah ô. Ary aza dia mahatsiaro heloka mandrakizay; masina Hianao, tsinjovy, fa olonao izahay rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45C9609C-7639-43D8-BF86-5F2945817FBF
9
Tonga efitra ireo tanànanao masina, Eny, tany lavavolo Ziona, ary efa lao Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C2ABD05-4482-4B98-B52E-519626E5DAA1
10
Ny tranonay masina sady mendrika, Izay nideran'ny razanay Anao, dia voadotry ny afo, ary rava ny zavatray mahafinaritra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27951346-F9B6-4366-B460-A0DCBDC3C447
11
Ary mbola mahatsindry fo amin'izany zavatra izany ihany va Hianao, Jehovah ô? Hangina va Hianao ka hampahory anay mafy loatra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A68C8AD-E181-4EB6-9719-11B11D0F9EB6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany