Isaia 7: 17-25

Andininy
Protestanta Malagasy
17
Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin'ny andro nialan'i Efraima tamin'ny Joda (Dia ny mpanjakan'i Asyria);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4823D84B-293A-4388-A1DF-8779BFB4C28B
18
Ary amin'izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin'ny faran'ny onin'i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin'ny tany Asyria;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24916C89-D68A-4E5A-8B4B-B0EEC0F61763
19
Dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin'ny lohasaha lao, sy eny an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin'ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin'ny saha fiandrasana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1D2C17F-3F13-432C-937C-FB491ECD016C
20
Amin'izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin'ny hareza nohofana any amoron'ny Ony* (Dia ny mpanjakan'i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin'iny koa.[Eofrata]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D693177D-E99E-4E70-86F4-1BB3EA97A17F
21
Ary amin'izany andro izany Dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76246C46-511C-4B3D-A31C-AAB31A95CE92
22
Ary noho ny haben'ny ronono azo avy amin'ireo dia hihinana rononomandry izy; Fa rononomandry sy tantely no ho fihinan'ny olona srehetra ao amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0FA7B3B-20C2-44B9-B922-CBA4DA620FA5
23
Ary amin'Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31100687-1D64-45A4-98F9-A0A9B191518A
24
Zana-tsipìka sy tsipìka no ho entin'izay miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4910BFC8-6CFE-4D47-B9FE-A72675EA3767
25
Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin'ny angady dia tsy ho azonao diavina noho* ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan'ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman'osy izany.[Na: Dia tsy halehan']
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB9899EB-72BA-4D38-9B23-C96DD0FFC636
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany