Andininy
Protestanta Malagasy
4
ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan'ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak'i Remalia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E14CDE7-2CE6-41A6-8DB5-0332E1B6F4DF
5
Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak'i Remalia ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD263131-B071-40C4-9B8C-714C2AA09339
6
Andeha isika hananika an'i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak'i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F9A4225-E136-4C05-9213-1E81B6503FE0
7
Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36E23031-EE7E-4DA5-A76C-9089C098DB82
8
Fa ny lohan'i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan'i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin'ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76D1BE67-891D-4C50-82F8-2EE0FF1EE5A7
9
Ary ny lohan'i Efraima dia Samaria, Ary ny lohan'i Samaria dia ny zanak'i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo, Dia tsy ho tafatoetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30D2A68C-2320-4AE2-871E-58EDA6429F54
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany