Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia ny amin'ny mosary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81B1EC6E-6183-488F-83C7-0CE9229A02C9
2
Misaona ny Joda, Ary mitanondrika ny vavahadiny; Mitafy lamba fioriana izy ka mipetraka amin'ny tany; Ary miakatra ny fitarainan'i Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63A15317-7238-47C6-B238-268E4322D08D
3
Ny lehibeny maniraka ny madinika hantsaka rano; Dia tonga any amin'ny lavaka famorian-drano ireny, nefa tsy mahita rano Ka miverina mitondra loha mody; Menatra sy mangaihay izy ka misaron-doha mody.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B78E4A81-B53D-4ECD-9EDF-843928EB92CE
4
Noho ny fangetan'[Na: Satria tora-kovitra.] ny tany Noho ny tsy nilatsahan'ny ranonorana taminy, Dia menatra ny mpiasa ka misaron-doha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0EF1DCA-8B91-4E42-932B-56F819D2B0FA
5
Ary na dia ny dieravavy any an-tsaha aza, raha miteraka, dia mahafoy Noho ny tsi-fisian'ny ahi-maitso.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F63CA54F-2A66-48E9-8E94-E045014293C6
6
Ary ny borikidia mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady, Mihanahana maniry ny rivotra toy ny amboadia[Na: jakala.] izy; Manjambena ny masony noho ny tsi-fisian'ny ahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FAC4600-52ED-4A43-A201-24EE9D7AA75E
7
Ry Jehovah ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, Miasà ihany hianao noho ny anaranao; Fa be ny fiodinanay, Taminao no nanotanay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8768574-7F1B-4741-90D8-ADCC3DC82D69
8
Ry Fanantenan'ny Isiraely ô, Mpamonjy azy amin'ny andro fahoriana! Nahoana Hianao no dia toy ny vahiny amin'ny tany Ary toy ny mpandeha izay manorin-day handry indray alina monja?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFCA3A5E-9702-4D42-A1D8-7C039AE0F474
9
Nahoana Hianao no dia toy ny olona ankona Ary toy ny lehilahy mahery tsy mahavonjy? Nefa mbola ato aminay ihany Hianao, Jehovah ô, Ary ny anaranao dia efa nantsoina taminay; Aza dia mandao anay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87310BDD-0BF4-42E4-9D28-192B1FD93AB6
10
Izao no lazain'i Jehovah amin'ity firenena ity: Te-hirenireny toy izao izy, Ka tsy mahajanona ny tongony; Tsy sitrak'i Jehovah izy, Ankehitriny dia tsaroany ny helony, Ary valiany ny fahotany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|173EA97B-9E27-46A2-9A93-6939B270FFD2
11
Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mivavaka ho an'ity firenena ity hahasoa azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B52464B-30B7-4DD0-85E5-4E0F1DBC505A
12
Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; Ary na dia manatitra fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza izy, dia tsy hankasitraka azy Aho, Fa haripako amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F75D113-3DC4-432D-B650-61DDFEBB5281
13
Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro ny mpaminany manao aminy hoe: Tsy hiharan'ny sabatra hianareo, Ary tsy ho mosarena; Fa homeko fiadanana maharitra eto amin'ity tany ity hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|652BEBC8-3EF3-4992-9302-85EA44EA7940
14
Dia hoy Jehovah tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin'ny anarako; Tsy naniraka azy Aho, Na nandidy azy, na niteny taminy; Fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina Ary tsinontsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F85743C4-9293-453D-8914-D49A709E141E
15
Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ireo mpaminany izay maminany amin'ny anarako ireo -- nefa tsy nirahiko tsinona -- ka milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin'ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F83DE3E-4333-4633-874E-80F4DA2FFEAE
16
Ary ny firenena izay aminanian'ireo koa dia hiely faty eny an-dàlamben'i Jerosalema Noho ny mosary sy ny sabatra, Ka tsy hisy mpandevina ireny, Na ny tenany, na ny vadiny, na ny zanani-lahy, na ny zanani-vavy, -- Fa haidiko ao aminy ny faharatsiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5D7CA07-B200-4F57-BF16-8A810D31C2A6
17
Koa lazao aminy izao teny izao: Ny ranomasoko hijononoka andro aman-alina ka tsy hitsahatra; Fa ny oloko, zanakavavy virjina, naratra mafy dia mafy Tamin'ny kapoka maharary indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8913EED-6F2A-4A16-872C-67E7EB53E5DB
18
Raha mivoaka any an-tsaha aho, Dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho, Dia indreo ny anan'ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mirenireny mankamin'ny tany tsy fantany.[Na: ka tsy mahalala.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1BB16C8-0D4A-41B8-B850-EF0BFB740F4E
19
Efa narianao tokoa va Joda? Efa naharikoriko ny fanahinao va Ziona? Nahoana no dia mamely anay Hianao, ka efa tsy mety sitrana izahay? Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy nahita soa, Ary andro fanasitranana,[Na: fahafinaretana.] fa indro fampitahorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|238D0C47-BDA3-40DB-AEDD-7819918818F7
20
Jehovah ô, tsaroanay ny faharatsianay sy ny heloky ny razanay; Fa efa nanota taminao izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E473629E-D6FC-4224-96C8-29F74C95B43E
21
Noho ny amin'ny anaranao dia aza arianao izahay; Aza atao ho tsinontsinona ny seza fiandrianan'ny voninahitrao; Tsarovy, ka aza tsoahanao ny fanekenao taminay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AE869A4-C7DD-42EA-BE6E-47ECF7AADE31
22
Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin'[Heb. zava-poanan'.] ny jentilisa ireny? Na mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Hianao ihany va no Izy, ry Jehovah Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, Satria Hianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBA50B5F-F4FA-4B3A-8F84-DB0F23C41CFE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany