Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary hoy Jehovah tamiko: Na dia Mosesy sy Samoela aza no mitsangana eto anatrehako, dia tsy hankasitraka ity firenena ity ny fanahiko; roahy tsy ho eo anatrehako izy, eny, aoka hiala izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|465DB3AA-1E64-4090-9F19-2055E4850DA0
2
Ary raha tàhiny izy manao aminao hoe: Hiala hankaiza izahay? dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Izay ho amin'ny areti-mandringana[Heb. fahafatesana.] dia ho amin'ny areti-mandringana,[Heb. fahafatesana.] Ary izay ho amin'ny sabatra dia ho amin'ny sabatra, Ary izay ho amin'ny mosary dia ho amin'ny mosary, Ary izay ho amin'ny fahababoana dia ho amin'ny fahababoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|453DD6A3-CCC1-4A28-B5CA-F0C08D310D0E
3
Ary manendry zavatra efatra karazana Aho hamelezana azy, hoy Jehovah: Dia ny sabatra hamono sy ny amboa hamiravira Ary ny voro-manidina sy ny bibi-dia Hihinana sy handany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1E1DBA5-633F-435C-A32B-E6674A0E9860
4
Ary manolotra azy ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra[Na: ho fampangovitana ny fanjakana rehetra.] amin'ny tany Aho Noho ny amin'i Manase, zanak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, Dia noho izay nataony tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FECB4EB3-DC49-45A6-B25B-BF8881692028
5
Fa iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Ary iza no hitsapa alahelo anao? Ary iza no hivily hanantsafa anao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FF35471-1C1E-428F-92E7-93C373382009
6
Hianao efa nahafoy Ahy sady efa nihemotra, hoy Jehovah, Ka dia ahinjitro kosa ny tànako hamely anao, Ka efa mandringana anao Aho, fa efa sasatry ny mandefitra.[Heb. manenina.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|195CE8BD-4DA9-44CB-BE32-958815C42DD6
7
Ary kororohiko amin'ny fikororohana izy Ho any amin'ny vava-tany; Ary foanako anaka ny oloko, Eny, aringako izy -- tsy mety miala amin'ny fanaony mba hiverina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BC1B5DA-23D6-42FC-86FC-F7554AFBF0A2
8
Ny mpitondratenany mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; Mitondra mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin'ny zatovo, Na dia mitataovovonana aza ny andro; Ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny tahotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17024844-EF4E-47FF-8512-E5623889F4A4
9
Izay niteraka fito dia mihaosa, Miala aina izy, Milentika mbola antoandro ny masoandrony, Menarina sy mangaihay izy; Ary izay sisa aminy dia hatolotro ho voan'ny sabatra eo anoloan'ny fahavalony, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D9E3C3D-60C3-447D-BA33-BF2A637736F8
10
Lozako, ry neny, ny niterahanao ahy, Izay lehilahy ilana ady sy fifandirana eny amin'ny tany rehetra! Tsy nampanàna vola aho, ary tsy misy nanàna vola tamiko, Nefa ozonin'ny olona rehetra ihany aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2CE2438-AAA2-4A02-8CC1-4911EA88D649
11
Dia hoy Jehovah: Nahafaka anao Aho hahasoa anao;[Na: Ny hahasoa anao ihany no nisehoako ho fahavalonao.] Hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo Amin'ny andro ahitan-doza sy amin'izay andro mahory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69C07F9D-ED62-47B6-B466-7E809E4DBC06
12
Mety tapaka va ny vy, dia ny vy avy any avaratra, na ny varahina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F21969E6-429F-4D50-AFA5-4BBCAB9F5F35
13
Ny fanananao sy ny rakitrao ao anatin'ny fari-taninao rehetra Dia hatolotro ho babo maimaimpoana Noho ny fahotana rehetra izay nataonao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E8A6B3F-35F3-4E64-81A5-AFA1DA9F3519
14
Ary hampitondraiko ny fahavalonao Ho any amin'ny tany tsy fantatrao izany; Fa arehitra ny afon'ny fahatezerako,[Heb. Fa misy afo arehitra amin'ny fahatezerako.] Ka handoro anareo no irehetany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FEFC7C5-32A9-4D5B-B71C-E0C7E3D30E8A
15
Hianao no mahalala, Jehovah ô; Tsarovy aho, ka vangio, Ary valio izay manenjika ahy; Aza dia mandefitra aminy Hianao, fandrao ho afaka ny aiko; Aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no nitondrako latsa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A0A87CE-EEF4-47D5-88A6-A8A04563EBD6
16
Hitako ny teninao ka nohaniko, Ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan'ny foko; Fa nantsoina tamin'ny anaranao aho, Jehovah, Andriamanitry ny maro ô.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7DD2263-7A23-4DA1-8A4C-6FABF76C4CB2
17
Izaho tsy nipetraka na nifaly teo amin'ny fivorian'ny mpikorana, Nitoetra irery aho noho ny fihazonan'ny tànanao ahy, Fa nofenoinao fahatezerana aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|532CD432-BCEC-4599-9B0B-3F94EE98622A
18
Nahoana re no dia tsy mety mitsahatra ny faharariako, Ary fatratra ny feriko ka tsy mety sitrana? Ho tonga amiko tahaka ny rano-trambo va Hianao, dia rano tsy azo itokiana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0893D6AB-D09A-4F6F-94A7-5E1495B6F7DB
19
Koa izao no lazain'i Jehovah: Raha hiverina hianao, dia horaisiko indray,[Heb. hampivereniko.] Ka dia hitsangana eo anatrehako hianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin'ny zava-poana hianao, Dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy hianao no hanatona azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCEF7816-7D79-47DD-ABF6-FE816C0061C2
20
Ary hataoko mànda varahina mirova ho amin'ity firenena ity hianao: Hiady aminao izy, Nefa tsy hahaleo anao; Fa momba anao hamonjy sy hanafaka anao Aho, hoy Jehovah;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA45EBBC-091C-4128-8CD5-350C79A9247F
21
Ary hanafaka anao amin'ny tànan'ny ratsy fanahy Aho Sy hanavotra anao amin'ny tànan'ny mpampahory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E09BE430-8A22-476B-BA6C-A39AE6D2CDFE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany