Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no lazain'i Jehovah: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà anti-panahy amin'ny vahoaka sy anti-panahy amin'ny mpisorona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B0F9463-9037-43F8-A81A-EBD08F4F8DE9
2
dia mivoaha ho any amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izay eo anoloan'ny vavahady Harsota,[Harsota=tavim-bilany(?)] ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|515027EF-2FC6-4174-92A8-631181E09CE8
3
ka ataony hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ry mpanjakan'ny Joda sy ry mponina ato Jerosalema! Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin'ity tanàna ity Aho -- izay mandre izany, dia hangitsingintsina ny sofiny --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11D6971D-5916-46AE-A7F4-519E2674CF62
4
satria efa nahafoy Ahy izy ka nahatonga ity tanàna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra tato ho an'andriamani-kafa, izay tsy fantany, na fantatry ny razany, na ny mpanjakan'ny Joda, sady efa nameno ran'ny marina ity tanàna ity
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3C8C16D-7EFE-4B06-AB2A-A8416950AE63
5
ary nanorina ny fitoerana avo ho an'i Bala handoroany ny zanany ho fanatitra dorana ho an'i Bala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FE1A173-273E-487D-BC9D-CD8EDA2C5229
6
Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana ity fitoerana ity intsony hoe Tofeta, na Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A30A8ED-C4EE-431B-A6B1-33DDC3AD055E
7
Ary hofoanako[Heb. hararako.] amin'ity tanàna ity ny fisainan'ny Joda sy Jerosalema, ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan'ny fahavalony sy amin'ny tànan'izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89DC6417-CF04-43D8-AC29-D87C199FD60C
8
Ary ity tanàna ity dia hataoko ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sady hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89D90FF7-1B61-40B0-93EF-3A3B87300B4B
9
Ary hampihinaniko ny nofon'ny zanani-lahy sy ny nofon'ny zanani-vavy izy, ary samy hihinana ny nofon'ny namany avy izy eo amin'ny fahirano sy ny fahaterena, izay haneren'ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF955ADE-4E88-4159-899B-CEEB2467F88D
10
Dia torotoroy eo imason'ny olona izay miaraka aminao ilay tavoara,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8BC8F59-74F2-493B-9C59-E66C81AC1797
11
ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin'ny mpanefy tanimanga ny vilany tany, ka tsy azo atambatra intsony; ary ny Tofeta aza no handevenany noho ny tsi-fisian-tany hafa handevenana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91E4F070-DFC4-4DF5-8909-D85A9C858032
12
Dia toy izany no hataoko amin'ity tanàna ity sy amin'izay mponina ato, ka dia hatao tahaka an'i Tofeta ity tanàna ity, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28A45E7D-2F8D-46E7-B2FC-094B01340B38
13
Ary ny tranon'i Jerosalema sy ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda dia ho tonga maloto tahaka an'i Tofeta, dia ny trano rehetra izay nandoroany ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra sy nanidinany fanatitra aidina ho an'izay andriamani-kafa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|372E5D42-E81D-4294-A828-EF17206FF69F
14
Ary Jeremia dia tonga avy tany Tofeta, izay nanirahan'i Jehovah azy haminany, ka nitsangana teo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah izy, dia nanao tamin'ny vahoaka rehetra hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1ACED1B-47D5-434D-8039-5CAC321CDBA6
15
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra amin'ity tanàna ity sy amin'ny zana-bohiny rehetra ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafiany ny hatony tsy hihainoany ny teniko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|446CD6FB-1576-4435-B3B5-FCC449BE7668
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany