Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no lazain'i Jehovah: Midìna any amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8896E8E1-1B23-4590-810E-236C93AE5751
2
Henoy ny tenin'i Jehovah, ry mpanjakan'ny Joda, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, dia hianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin'ireto vavahady ireto:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69FCB971-5DE4-427F-9C94-1F6D3BEAC507
3
Izao no lazain'i Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana hianareo, ka afaho amin'ny tànan'ny mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ary aza mandatsaka ra marina amin'ity firenena ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F459E00B-7CC9-4D22-BA4B-7B72DF76255E
4
Fa raha mankatô izany teny izany tokoa hianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida hiditra amin'ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA9674CC-B9AA-4566-9E05-8D98C422F89D
5
Fa raha tsy hihaino izany teny izany kosa hianareo, dia ny tenako no ianianako, hoy Jehovah, fa ho lao tokoa ity trano ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A09C9C6-C4AA-40AE-8982-F0268B50DFBB
6
Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an'i Gileada sy ny tampon'i Libanona amiko hianao, Nefa hataoko tonga efitra sy tanàna tsy onenana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94135CB1-4316-4A52-AE40-19EDF15E991C
7
Ary hanendry[Heb. hanamasina.] mpandrava hamely anao Aho, Izay samy hitondra ny fiadiany avy; Dia hokapain'ireo ny sederanao voafantina Ka hariany ao anaty afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBB35E26-ADFA-42C1-B1B5-257F04019B60
8
Ary firenena maro no handalo ity tanàna ity, Ka samy hanao amin'ny namany avy hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao izao tamin'ity tanàna lehibe ity?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10C3ABE6-98A1-4116-AE20-8F3AA4AA2641
9
Dia hovaliana hoe: Noho ny nahafoizany ny faneken'i Jehovah Andriamaniny Sy ny nivavahany tamin'andriamani-kafa sy ny nanompoany ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09DAB363-8DE3-4338-9E14-622F1EDAD733
10
Aza mitomany ny maty hianareo, Na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko babo; Fa tsy hiverina intsony izy, Na hahita ny tany nahaterahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DD2C58A-B4C6-4D34-8797-52C46FCBB0AB
11
Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Saloma, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia ilay nandimby an'i Josia rainy, saingy efa niala tamin'ity tany ity: Tsy hiverina aty intsony izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C060CEB8-C7F2-494B-A089-5980A9ECBB9F
12
Fa ho faty any amin'ny tany izay nitondrana azy ho babo Ka tsy hahita ity tany ity intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A8BFD45-562A-476C-93F3-03C0D2845F9E
13
Lozan'izay manorina ny tranony amin'ny tsy rariny Sy ny ati-tranony ambony amin'ny fitaka Ka mampiasa maina ny namany, Fa tsy mandoa ny karamany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DD3DB69-155B-4EA2-82E2-2DC3DAD421EC
14
Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho Sy ati-trano ambony malalaka; Ary holoahany hisy varavarankely Sady hasiany valin-drihana sedera Sy hohosorana loko mena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B4497E5-C926-49C8-BF4A-6BBE457F489D
15
Moa dia ho mpanjaka hianao, saingy ataonao be sedera noho ny an'ny sasany ny tranonao? Tsy efa nihinana sy nisotro va rainao Sady nanao fitsarana sy fahamarinana? Tamin'izany dia nambinina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78785A52-41F4-4BE3-915C-8D11398ADF87
16
Nitsara ny tenin'ny ory sy ny malahelo izy; Tamin'izany dia nambinina izy. Tsy izany va no fahalalana Ahy? hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4CE282A-9E59-4F9C-9696-4B690A5C4B71
17
Nefa tsy misy alehan'ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany Sy ny fandatsahana ra marina Ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD490A88-8AD1-489F-B5AD-C2D51CB0C8E2
18
Ary noho izany dia izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda: Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0DE9FC3-42F5-48A1-B4BD-493261C855E9
19
Halevina toy ny fandevina boriky izy, Ka hotaritarihina sy hariana any ivelan'ny vavahadin'i Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB9B216D-2D39-40FD-87FB-B3D9E70AD046
20
Miakara any Libanona, ka mitaraina; Dia asandrato any Basana ny feonao, Ary mitaraina any Abarima; Fa ringana avokoa ireo tia anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EDA4F6F-9E50-4D27-8D6B-0A36C54A90E5
21
Efa niteny taminao Aho, fony hianao mbola nipetraka tsy nanana ahiahy; Nefa hoy hianao: Izaho tsy hihaino. Fanaonao hatry ny fony hianao mbola tanora ny tsy mihaino ny teniko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2C3DC4E-9537-49A0-BC96-1E7D5689A27E
22
Ny mpitondra[Heb. mpiandry ondry.] anao rehetra ho paohin'ny rivotra, Ary ireo tia anao ho lasan-ko babo, Eny, ho menatra sy hangaihay tokoa hianao noho ny haratsianao rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|695D2D60-4241-49E9-A064-2830BDF39C6E
23
Ry ilay mponina any Libanona, Izay manao ny akaninao eny amin'ny sedera, Indrisy ny fisentoanao,[Na: fahantranao.] raha iharan'ny faharariana hianao; Toy ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E100947F-1D11-4489-A379-C94C8784FFFF
24
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Na dia ho peratra fanombohan-kase amin'ny tànako ankavanana aza hianao, Ry Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, Dia hotsoahako hiala eo hianao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86CED85F-A7F0-4C12-8066-08C1C3245912
25
Ka hatolotro eo an-tànan'izay mitady ny ainao Sy eo an-tànan'izay atahoranao, Dia eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, Sy eo amin'ny tànan'ny Kaldeana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03F48AD8-34BF-4167-8915-930C36B33806
26
Ary hianao sy ny reninao niteraka anao dia hariako Any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo, Ka any no hahafatesanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C14AA2A-C165-453A-A769-528CDE696F63
27
Fa ny tany iriny hiverenana Dia tsy hiverenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41DE7315-1EF9-435F-8206-D6D2F636705C
28
Moa ity lehilahy Jekonia ity dia vilany vingavingaina sy efa hotorotoroina Ary fanaka tsy mahafinaritra va? Koa nahoana no nariana izy sy ny taranany Ka natsipy any amin'ny tany tsy fantany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6ECCF6FE-46D2-4386-BFE8-FB371A2208B1
29
Ry tany! ry tany! ry tany! Henoy ny tenin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5F65377-1D05-4709-9641-A2BDC8B35BF4
30
Izao no lazain'i Jehovah: Soratinareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, Dia lehilahy tsy hambinina amin'ny androny; Fa tsy hisy amin'ny taranany izay hambinina Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, Na hanapaka ao amin'ny Joda intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC928C88-81A7-4088-B462-BC263132D729
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany