Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa hoy Izy:[Na: hoy ny olona.] Raha misy lehilahy misao-bady, Ary efa miala ravehivavy ka vadin'olon-kafa, Moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa hianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, Ka moa mahazo miverina amiko va hianao? hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F1848FA-7551-477A-AC16-245CDCEEBC4B
2
Andrandrao amin'ny tendrombohitra mangadihady ny masonao, ka jereo, Taiza no tsy nandrian'olona taminao? Teny an-dàlambe no niandrasanao azy Toy ny Arabo any an-efitra; Ary ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E49577F2-AD63-4574-BB07-64C58ED3B147
3
Ka dia voasakana ny orana mivatravatra, Sady tsy tonga ny fara-orana; Ary ny handrinao dia handrin'ny vehivavy janga Ka tsy manan-kenatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2634F97-46D0-4605-912D-35D8B619A415
4
Moa tsy hitaraina amiko va hianao amin'izao sisa izao hoe: Ry Raiko ô, Hianao no nahazatra ahy, hatry ny fony aho mbola tanora?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E7B67C1-C3F8-49C2-9186-79B6A5FC3407
5
Ho tezitra mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatramin'ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy izanyhianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D930ACA-8ACB-44CB-A2AC-8F8F3DEF84B9
6
Ary hoy Jehovah tamiko tamin'ny andro nanjakan'i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon'ny Isiraely mpiodina? Niakatra ho eny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny amin'ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53F0159F-0376-4F2B-AECF-66AE2ED3DA6A
7
Ary nataoko fa rehefa nanao izany rehetra izany izy, dia hiverina amiko. Kanjo tsy niverina izy. Ary Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|889AA396-9CC6-4A96-BDFD-8A72B80C6168
8
Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangany, dia tsy nety natahotra Joda mpivadika rahavaviny na dia izany aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AAB85C60-407C-4971-89B3-BE11819B139A
9
Ary tamin'ny fihorakorahan'ny fijangajangany[Na: noho ny fijejojejoany sy ny fijangajangany.] no nandotoany ny tany, ary nijangajanga tamin'ny vato sy ny hazo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19B3A0BD-0EC7-4E50-936C-4FCDD8A9BC31
10
Fa na dia izany rehetra izany aza dia tsy nety niverina tamiko tamin'ny fony rehetra Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin'ny fihatsarambelatsihy ihany, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B5F97F3-B2BB-4E6E-8D15-DDA8AC92128E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany