Andininy
Protestanta Malagasy
12
Mandehana, ka torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena hianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah; Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho; Fa hamindra fo Aho, hoy Jehovah, Ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.
13
Kanefa kosa ekeo ny helokao, Fa tamin'i Jehovah Andriamanitrao no niodinanao, Ary nivezivezy nankany amin'ny hafa hianao Teny ambanin'ny hazo maitso rehetra, Fa tsy mba nihaino ny feoko hianareo, hoy Jehovah.
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany