Andininy
Protestanta Malagasy
14
Miverena, ry zaza mpiodina, hoy Jehovah, Fa izaho ihany no vadinareo; Ary hangalako izay isan-tanĂ na hianareo Sy roa isam-pokony, Ka ho entiko any Ziona hianareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20E05792-FC8E-4EC9-8F99-19149E6BBA9E
15
Dia homeko mpitondra[Heb. mpiandry ondry.] araka ny sitrapoko hianareo, Izay hitondra[Heb. hiandry.] anareo amin'ny fahalalahana sy ny fahendrena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9380A77-3B39-440E-A250-A020C4AD10AA
16
Koa rehefa mitombo sy mihamaro amin'ny tany hianareo, Dia amin'izany andro izany, hoy Jehovah, No tsy hanaovany intsony hoe: Ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; Ary tsy hosaintsaininy akory izany, Sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, Na hanao fiara intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8B2C20E-59BF-4A18-A1AF-2AB30D4EEA9A
17
Amin'izany andro izany no hanononana an'i Jerosalema hoe Seza fiandrianan'i Jehovah; Ary hivory any ny Jentilisa rehetra Noho ny anaran'i Jehovah any Jerosalema, Ary izy tsy handeha intsony araka ny ditry ny fo ratsiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B21675AE-B9CE-4A44-B1BB-546D4CAF26C3
18
Amin'izany andro izany ny taranak'i Joda sy ny taranak'Isiraely dia hiara-mandeha, Ka hiara-tonga avy any amin'ny tany avaratra izy Ho any amin'ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D22F6579-0604-4298-A088-7CF5DE6978E5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany