Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F887078-69FB-4045-8842-4A5DAB4C2DE4
2
Mankanesa any amin'ny taranak'i Rekaba, ary mitenena aminy, dia ampidiro ao an-tranon'i Jehovah, ao amin'ny efi-trano anankiray, izy, ka omeo divay hosotroiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|900E31B0-891A-45A3-9C05-4FA7850C6AB8
3
Dia nalaiko Jazania, zanak'i Jeremia, zanak'i Habazinia, sy ny rahalahiny sy ny zanany rehetra mbamin'ny taranak'i Rekaba rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40F4FE49-746D-49F5-9AC2-43A9AAB7274B
4
ka nampidiriko ho ao amin'ny tranon'i Jehovah izy, dia tao amin'ny efi-tranon'ny taranak'i Hanana, zanak'i Jigdalia, lehilahin'Andriamanitra, izay ao anilan'ny efi-tranon'ny mpanapaka, ao ambonin'ny efi-tranon'i Mahaseia, zanak'i Saloma, mpiandry varavarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B8FC033-C26C-4ED5-976F-97A8A4EAB151
5
Ary norosoako kapoaka sy siny feno divay teo anoloan'ny taranak'i Rekaba ka nolazaiko taminy hoe: Misotroa divay hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22FFE0FC-8981-4D5E-8D59-129E91892A9A
6
Fa hoy kosa ireo: Tsy hisotro divay izahay; fa Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay, efa nanafatra anay hoe: Aza mba misotro divay hianareo na ny taranakareo mandrakizay;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98DC26A7-824A-474F-A8C7-52B2571F27B3
7
ary aza manao trano hianareo, na mamafy voan-javatra, na manao tanim-boaloboka, na mety hanana izany akory; fa lay no itoeronareo amin'ny andronareo rehetra, mba ho ela velona hianareo amin'ny tany izay ivahinianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CA43E9E-D9F8-4D67-AFB3-6931D924EC85
8
Dia nankatoavinay izany tenin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay izany, tamin'izay rehetra nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin'ny andronay rehetra, na izahay, na ny vadinay, na ny zanakai-lahy, na ny zanakai-vavy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3326189-C1D5-47C6-B62F-22B99E8845CD
9
ary tsy hanao trano hitoeranay, na hanana tanimboly, na saha, na voan-javatra izahay;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDE80799-6B55-4F28-BA7A-BA188BD348BE
10
fa efa nitoetra an-day izahay araka izay rehetra nanafaran'i Jonadaba razanay anay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2E796C3-95A0-4DE9-A3EA-E8AA7C601009
11
Fa raha nananika ny tany Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia hoy izahay: Andeha isika hankany Jerosalema handositra ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana, ka izany no itoeranay eto Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C78434E2-2B88-44E7-A7EC-3B9E0D4DD77C
12
Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|274B68C9-43B3-42F1-95AE-43CDA3737602
13
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Andeha, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema hoe: Tsy hino anatra hitandrina ny teniko va hianareo? hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22310E75-D7D4-4627-B14F-12D20D243B14
14
To ny tenin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, izay nanafarany ny zanany tsy hisotro divay, fa tsy misotro tokoa izy mandraka andro-any, fa mahatana ny hafa-drazany; ary Izaho efa niteny taminareo, -- eny, nifoha maraina koa Aho ka niteny, nefa tsy nihaino hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D34C69AE-53DE-42AE-AEF5-AA1897BD265E
15
Nirahiko taminareo koa ny mpaminany mpanompoko rehetra, -- eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Samia miala amin'ny làlanareo ratsy hianareo ankehitriny, ary ataovy tsara ny ataonareo ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy, dia honina amin'ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo hianareo nefa tsy nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17B7A611-1117-47E1-9859-9DD37DB852C0
16
Eny, nankatoavin'ny zanak'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, ny hafa-drazany, izay nanafarany azy; fa ity firenena ity kosa tsy mba nihaino Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|831A63F2-B3ED-4ABD-92AB-C461683E0C0B
17
Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra amin'ny Joda sy amin'ny mponina rehetra any Jerosalema ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, satria efa niteny taminy Aho, fa tsy nihaino izy, ary niantso azy Aho, fa tsy namaly izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC5D3E21-2724-4F1E-9A82-BBD7F2324751
18
Ary ny taranak'i Rekaba dia nilazan'i Jeremia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nahatananareo ny hafatr'i Jonadaba razanareo sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra nanafarany anareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1998D1E8-A3AD-4656-B66C-38D84EF8E146
19
dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Jonadaba, zanak'i Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89CDD18A-3138-466D-AEA2-183FD6D079DB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany