Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Safatia, zanak'i Matana, sy Gedalia, zanak'i Pasora, sy Jokala, zanak'i Semelia, ary Pasora, zanak'i Malkia, dia nandre ny teny izay efa nolazain'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8A78887-985C-4931-A461-1F6EB5A0E007
2
Izao no lazain'i Jehovah: Izay mitoetra amin'ity tanàna ity dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana kosa no ho velona; fa ny ainy no ho babony, ka ho velona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|312D67C2-876D-4134-8C25-DC79E6B1DDC7
3
Izao no lazain'i Jehovah: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tànan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona tokoa ka ho afany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA48D7C9-CB90-4ED1-AC48-484CD7BBB81A
4
Dia hoy ny mpanapaka tamin'ny mpanjaka: Trarantitra hianao, aoka hovonoina ity lehilahy ity; fa mampiraviravy tànana ny miaramila sisa amin'ity tanàna ity mbamin'ny olona rehetra izy noho ny nitenenany taminy araka izany teny izany; fa ity lehilahy ity tsy mba mitady izay hiadanan'ity firenena ity, fa izay hahatonga loza aminy kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0B12F19-CCF1-41EB-BA91-EB2CEE5E3A28
5
Dia hoy Zedekia mpanjaka: Indro, eo an-tànanareo izy; fa ny mpanjaka dia tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|702E9F36-09DA-4870-8E03-BF8A05B4162F
6
Ary naka an'i Jeremia izy ka nandatsaka azy tao amin'ny lavaka famorian-dranon'i Malkia, zanak'andriana, izay tao amin'ny kianjan'ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin'ny mahazaka Jeremia. Ary tsy nisy rano tao amin'ny lavaka, fa fotaka fotsiny ihany, ka dia nilentika tamin'ny fotaka Jeremia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0417A42-B7AE-4D9C-939C-68CE6E3DAC78
7
Ary Ebeda-meleka Etiopiana, tandapa anankiray tao amin'ny tranon'ny mpanjaka, raha nandre ny nandatsahany an'i Jeremia tao amin'ny lavaka (nipetraka teo amin'ny vavahadin'ny Benjamina ny mpanjaka androtriny), --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AE1A26D-84ED-44FB-A53A-1C1F0D320916
8
dia nivoaka avy tao an-tranon'ny mpanjaka izy ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|026F79C4-9494-419A-8A02-6F14FBC67990
9
Ry tompokolahy mpanjaka, ratsy avokoa izay nataon'ity firenena ity tamin'i Jeremia mpaminany, fa nataony tao an-davaka izy ka ho faty mosary ao amin'izay itoerany, satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|925BD3ED-6E17-43F6-9EA1-7FD3F20629B8
10
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Ebeda-meleka Etiopiana hoe: Mitondrà telo-polo lahy hiaraka aminao hampakatra an'i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC45C028-0F79-4A1D-A534-ECCBAE4B4054
11
Ary Ebeda-meleka nitondra ny olona niaraka taminy, ka dia lasa nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka eo ambanin'ny trano firaketana, ary naka lamba rovitra sy voro-damba tao izy, ka nampidininy tamin'ny mahazaka ho ao amin'ny lavaka izany ho ao amin'i Jeremia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|970C4171-1840-4452-8C29-6DDEFD289627
12
Dia hoy Ebeda-meleka tamin'i Jeremia: Ataovy ao ambanin'ny helikao ireto lamba rovitra sy voro-damba ireto ho efitry ny mahazaka, dia nataon'i Jeremia izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25085DFD-D225-474A-A614-DB5E23AF89A3
13
ka dia nosintoniny tamin'ny mahazaka Jeremia ka nakariny avy tao anaty lavaka; ary dia nitoetra teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83E74232-7825-4B41-9764-56E2076B0FC3
14
Ary Zedekia mpanjaka naniraka haka an'i Jeremia mpaminany hankao aminy tao amin'ny fidirana fahatelo, izay ao an-tranon'i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Jeremia: Hanontany zavatra kely aminao aho, ka aza anafenana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F99A3ED-9792-450B-BA87-C4182358DA9A
15
Ary hoy Jeremia tamin'i Zedekia: Raha hambarako anao, dia tsy hovonoinao tokoa va re aho? Fa na dia omeko saina aza hianao, dia tsy hihaino ahy tsinona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68D4E6AB-281D-4569-B43C-828B4EB5A1D2
16
Ary Zedekia mpanjaka nianiana mangingina tamin'i Jeremia nanao hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nanao izao fanahintsika izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tànan'ireto olona mitady ny ainao ireto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12F7233B-EE39-4D53-9E0E-A2B00F97456C
17
Dia hoy Jeremia tamin'i Zedekia: Izao ary no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona tokoa hianao, dia ho velona ny ainao, sady tsy hodorana amin'ny afo ity tanàna ity, fa ho velona hianao sy ny mpianakavinao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15F37695-315B-4128-B24F-807D2C7E2F2D
18
fa raha tsy mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona kosa hianao, dia hatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana ity tanàna ity, sady hodorany amin'ny afo izy, ary tsy ho afa-mandositra ny tànany hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80EA75C2-839D-4E8F-86FB-20D68532F1C8
19
Ary hoy Zedekia mpanjaka tamin'i Jeremia: Matahotra ny Jiosy izay efa nanatona ny Kaldeana aho, fandrao hatolony eo an-tànany aho ka hataony fihomehezana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A7CF0C2-DBF1-4965-B23B-53F2C17D7DA7
20
Fa hoy Jeremia: Tsy hanolotra anao izy tsy akory. Trarantitra hianao, ankatoavy ny tenin'i Jehovah, izay lazaiko aminao, mba hahita soa hianao, ka ho velona ny ainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1082E623-3AC3-4252-BFA5-F7553918BC3A
21
Fa raha tsy mety mivoaka kosa hianao, dia izao no teny efa nasehon'i Jehovah ahy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AB81882-7181-4DB0-85B3-DEE6ADC8DB56
22
Indreo, ny vehivavy rehetra izay sisa ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda dia ho entina mivoaka ho any amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona, ary ireo vehivavy ireo dia hanao hoe: Ireo sakaizanao no nitaona anao Sady naharesy anao Ary latsaka tao amin'ny honahona ny tongotrao, Dia nilaozany nihemotra hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85AEAF2B-78E1-42AD-BCE4-27B7531F8563
23
Ny vadinao rehetra sy ny zanakao dia ho entina mivoaka ho any amin'ny Kaldeana; ary hianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho azon'ny tànan'ny mpanjakan'i Babylona; ary noho hianao no handoroana ity tanàna ity amin'ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C80783B-18E1-455E-AE37-7B5F03552F9C
24
Dia hoy Zedekia tamin'i Jeremia: Aoka tsy ho ren'olona ary izany teny izany, mba tsy ho faty hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05D62DFB-2532-4696-AD26-8F567B84B87A
25
Fa raha ren'ny mpanapaka fa niresaka taminao aho, ary tonga aminao izy ka manao aminao hoe: Ambarao aminay ankehitriny izay nolazainao tamin'ny mpanjaka, aza afenina anay, fa tsy hamono anao izahay; ary ambarao koa izay nolazain'ny mpanjaka taminao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BFB9458-CB71-4D90-AEE7-BD52E601703D
26
dia ataovy aminy hoe: Noborahina teo anatrehan'ny mpanjaka ny fifonako, mba tsy hamerenany ahy ho faty any amin'ny tranon'i Jonatana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|692F79AF-8F7A-4059-95A8-D518FA21B66F
27
Ary nankany amin'i Jeremia ny mpanapaka rehetra ka nanontany azy; dia nolazainy taminy araka izay teny rehetra nandidian'ny mpanjaka azy. Ary tsy niresaka taminy intsony ireo, ka dia tsy re ny raharaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A26EBE8-D00E-4216-900B-5A85AE4E7994
28
Ary Jeremia nitoetra teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana mandra-pahatongan'ny andro nanafahana an'i Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91CAD989-24EE-4000-BF25-87AB74C7C9A0
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany