Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, taorian'ny nandefasan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, azy niala tany Rama, tamin'ilay nampanalany azy fony izy mbola nigadra tao amin'ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay nentina ho babo tany Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64DD9470-C33B-4318-85D8-4337A81A047E
2
Ary ny lehiben'ny mpiambina dia naka an'i Jeremia ka nanao taminy hoe: Jehovah Andriamanitrao nanambara izao loza izao, izay nanjo ity tanàna ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E6F6680-9227-4383-9AF0-1D754FBA821F
3
Ary Jehovah nahatonga izany ka nanao araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin'i Jehovah sy noho ny tsy nihainoanareo ny feony, -- dia izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1E22A09-3BDC-471A-8221-DE746041A277
4
Ary indro, ankehitriny vahako izao ny gadra amin'ny tànanao, Koa raha sitraky ny fonao kosa ny hiaraka amiko hankany Babylona, dia andeha, fa hotandremako tsara hianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia mijanôna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no alehao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|604A4EBA-7447-42D2-BB88-66128A4849C8
5
Ary raha tsy mbola nety nandeha izy, dia hoy Nebozaradana: Miverena indray any amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, izay voatendrin'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tanànan'ny Joda, ka tomoera aminy ao amin'ny olona, na mandehana any amin'izay tianao haleha na aiza na aiza. Dia nomen'ny lehiben'ny mpiambina vatsy sy fanomezana izy ka nalefany handeha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|546EF379-CE01-4559-B75A-215D69E95E84
6
Ary Jeremia nankany amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, tany Mizpa ka niara-nonina taminy tao amin'ny vahoaka izay sisa velona tamin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1CADC00-A3B9-4DA3-96C5-683850BA0B01
7
Ary raha ren'ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny mpanjakan'i Babylona efa nanendry an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, ho mpanapaka ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin'ny zaza amim-behivavy ary ny malahelo sasany teo amin'ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babylona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15C9853D-772F-4F2B-ACC4-AF22229FEDB9
8
dia tonga tany amin'i Gedalia tany Mizpa izy, dia Isimaela, zanak'i Netania, sy Johanana sy Jonatana, zanak'i Karea, sy Seraia, zanak'i Tanometa, sy ny zanak'ilay Makatita, dia izy ireny sy ny olom-peheziny avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|711C85C8-59FA-49FF-9876-52F45A5DABA0
9
Ary Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nianiana taminy sy tamin'ny olom-peheziny nanao hoe: Aza matahotra hanompo ny Kaldeana; monena amin'ny tany, ka manompoa ny mpanjakan'i Babylona, dia hahita soa hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6335384-6CBB-4521-864D-D478B3E928F5
10
Ary ny amiko, dia, indro, honina any Mizpa aho hanompo ny Kaldeana izay ho avy ety amintsika; fa hianareo dia manangona divay sy voankazo masaka fahavaratra ary diloilo, ka ataovy ao amin'ny fitehirizanareo, dia monena amin'ny tany izay nidiranareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F483C5B2-3A70-47C6-8CD4-7FFCA796A560
11
Ary koa, ny Jiosy rehetra izay tany Moaba sy tany amin'ny taranak'i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin'ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan'i Babylona efa namela ny Joda hisy sisa sady efa nanendry an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, ho mpanapaka azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50BEBC93-3FA0-4E9F-AE85-20E2E45BCD32
12
dia niverina ny Jiosy rehetra avy tany amin'ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga tany amin'ny tanin'ny Joda ho any amin'i Gedalia tao Mizpa, ka nanangona divay sy voankazo sesehena masaka fahavaratra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF5FBBC4-EF73-4038-BE65-898708B1D7B5
13
Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha dia tonga tany amin'i Gedalia tany Mizpa
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D99E614-81F3-4169-8B74-C33A257FC6EB
14
ka nanao taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa Balisa, mpanjakan'ny taranak'i Amona, dia naniraka an'Isimaela, zanak'i Netania, hamono anao? Nefa tsy nino azy Gedalia, zanak'i Ahikama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43FC3DFD-C24D-4EAE-A640-DB17152D5EDB
15
Ary Johanana, zanak'i Karea, nilaza mangingina tamin'i Gedalia tao Mizpa nanao hoe: Masìna hianao, aoka aho handeha hamono an'Isimaela, zanak'i Netania, fa tsy hisy olona tsy hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny Jiosy rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin'ny Joda?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56721A4A-9691-4FBE-98BA-17A38C37EFFC
16
Fa hoy Gedalia, zanak'i Ahikama, tamin'i Johanana, zanak'i Karea: Aza manao izany hianao, fa miampanga lainga foana an'Isimaela hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BEDAE0F-52F1-48A2-BFDE-6BF541DB3E26
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany