Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny Jentilisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EFFBFC3-3746-42A9-9082-AB0C15B8BA97
2
Ny amin'i Egypta. Ny amin'ny miaramilan'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, izay teny amoron'ny ony Eofrata, tany Karkemisy, dia ilay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A595C38B-20E0-4F47-B5C6-6C808C75CE86
3
Mitaova amin'ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, Ka mandrosoa hiady;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E39F780-6F1A-41C9-BB46-4230D2B08632
4
Fehezo amin'ny kalesy ny soavaly, Ary itaingeno ny soavaly fitaingina; Mijoroa tsara hianareo, ka samia misatroka fiarovan-doha; Fotsio ny lefona, Miakanjoa ny akanjo fiarovan-tena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B302E209-ED11-4851-8D12-9DD5CAA583AD
5
Indrisy ny ahitako azy! raiki-tahotra sy miamboho izy, Ary ny maheriny aza dia efa ripaka, Samy miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; Fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4602D90F-5246-4C3B-B461-8DA71EDDDD37
6
Tsy ho afa-mandositra ny haingan-tongotra, Na ho afaka ny mahery; Any avaratra eo amoron'ny ony Eofrata No hahatafintohina sy hahalavo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E74DA2A-6BED-43A3-AF9B-2C81F541ABE2
7
Iza moa izato mizotra tahaka an'i Neily, Ary ny onjany misamboaravoara tahaka ny renirano?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A38A19A0-0D0F-4797-9CAF-49B8D2D3307D
8
Egypta mizotra tahaka an'i Neily, Ary ny onjany misamboaravoara tahaka ny renirano; Ary hoy izy: Hizotra aho ka hanafotra ny tany; Haringako ny tanàna sy ny mponina ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|176987F4-0D86-44E0-8EB0-F285F9119689
9
Miakara, hianareo soavaly, ary miriota toy ny adala, hianareo kalesy; Ary aoka hivoaka ny lehilahy mahery, Dia ny Etiopiana sy ny Lybiana,[Heb. Pota.] izay mitana ampinga, Ary ny Lydiana,[Heb. Loda.] izay mitana sy manenjana tsipìka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DD22CCB-ADD1-4980-8FAB-B5CE8DE85220
10
Fa izao andro izao dia an'i Jehovah, Tompon'ny maro, Ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony; Ary ny sabatra hihinana ka ho voky Sy ho mamon'ny ran'ireo; Fa ny Tompo, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no mamono zavatra hatao fanatitra Any amin'ny tany avaratra ao amoron'ny ony Eofrata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5DA2B3B-E46C-44C7-8731-66421C758822
11
Miakara any Gileada, ka makà balsama, Ry Egypta zanakavavy virjina; Foana ny nanaovanao fanafody maro, Fa tsy manana plasitera hapetaka amin'ny ferinao hianao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF27A8DF-5618-4DCC-9C54-8432A390AA43
12
Efa ren'ny firenena ny henatrao, Ary ny fiantsoantsoanao nanenika ny tany; Fa mifandona ny samy mahery, Ka miran-davo izy roa tonta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC6F47D8-F98C-42DC-AEC1-0FE2291C686E
13
Ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny hihavian'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, hamely ny tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|518E374E-2F8F-4C54-A6AB-06F4C2A3F020
14
Ambaraonareo any Egypta, ary torio any Migdola, Eny, torio any Memfisa[Heb. Nofa.] sy Tapanesa, Ka ataovy hoe: Mijoroa tsara hianao, ka miomàna; Fa mandringana manodidina anao ny sabatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9363824-44C4-4F60-938C-67AF02C556C2
15
Nahoana no voapaoka ny maherinao? Tsy nahafantatra izy, satria Jehovah no nandroaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|695A69C4-1FFB-41EB-92FA-A130BBB7679D
16
Efa nahatafintohina ny maro Izy, Ka lavo mifanindry ireo; Dia hoy ireo: Mitsangàna, ka andeha isika hiverina ho any amin'ny firenentsika Sy ho any amin'ny tany nahaterahantsika Ho afaka amin'ny sabatra mandoza,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40DEA8C1-35AE-4E89-92F1-0B1800267C41
17
Nitaraina izy hoe: Tabataba foana Farao, mpanjakan'i Egypta, Efa nandiso fotoana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|242219F4-43AA-4CF3-9187-8AF32533F8AD
18
Raha velona koa Aho, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany: Tahaka an'i Tabara amin'ny tendrombohitra, Sy tahaka an'i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho tahaka izany no hihaviany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A56612F-1BEC-4B16-9819-44E011A26918
19
Ry Egypta zanakavavy mponina, Mifeheza entana ho entinao any amin'ny fahababoana; Fa ho tonga tany lao Memfisa,[Heb. Nofa.] Eny, hodorana izy, ka tsy hisy mponina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB21BE94-8AEB-473C-A13B-53C1C323019C
20
Egypta dia tahaka ny ombivavy kely tsara tarehy dia tsara tarehy; Fa injay! tamy, eny, tamy ny fihitra avy any avaratra!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD607F07-6FF1-45BB-9038-00134FE85744
21
Na dia ny olona karamaina ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, Ireny koa dia mihodina ka samy mandositra avokoa; Tsy mahajanona izy, Fa efa tonga aminy ny andro hahitany loza, Dia ny andro hamaliana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24D41829-EC0E-4E98-BBB3-B48924217804
22
Ny feony dia toy ny fitsaotsaoky ny menarana mandeha; Fa mandeha hitondra miaramila izy Ka avy hamely azy amin'ny famaky Toy ny mpikapa hazo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B223DDF-1F2C-453C-BC22-EA0A87406039
23
Kapainy ny alany, hoy Jehovah, Satria efa nikirindro loatra; Fa maro noho ny valala izy Ka tsy tambo isaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36251697-4F90-4926-995D-051F464EE823
24
Ho afa-baraka Egypta zanakavavy, Hatolotra eo an-tànan'ny olona avy any avaratra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87FC4FF9-D944-417E-965C-F3E3F9AC3EAD
25
Ary hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely; Indro, hovaliako Amona avy any Nô Ary Farao sy Egypta Mbamin'ny andriamaniny sy ny mpanjakany, Dia Farao sy izay rehetra matoky azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A820E4C-0DF9-43A0-92DB-C7D7256B1B2B
26
Ary hatolotro eo an-tànan'izay mitady ny ainy izy, Dia eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, Sy eo an-tànan'ny mpanompony; Ary aorian'izany, dia handry fahizay[Na: honenana indray.] toy ny tamin'ny andro fahiny ihany izy, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|081DFDA2-A19B-4998-A5AC-DBC3D98ED33C
27
Fa aza matahotra hianao, ry Jakoba mpanompoko, Ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any amin'ny lavitra hianao, Ary ny taranakao avy any amin'ny tany nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, Eny, handry fahizay izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB7E919E-3D21-49E9-8A10-BAC9793042C4
28
Aza matahotra hianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, Fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, Hianao tsy mba holevoniko, Nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany hianao, Fa tsy dia havelako fotsiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3436F700-8B8A-4D12-AD23-F787BC6576CD
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany