Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny Filistina, fony Farao tsy mbola namely an'i Gaza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72538768-EE63-4927-B48F-14F44EA8B296
2
Izao no lazain'i Jehovah: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra Ka ho tonga ony maria Manafotra ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy, Dia ny tanàna mbamin'izay monina ao aminy; Ka dia hitaraina ny olona, Ary hidradradradra ny mponina rehetra amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E55B587-9B20-4B9D-A150-26D78FDB3D88
3
Noho ny fikatrokatroky ny kitron'ny soavaliny matanjaka Sy ny fikorondorondon'ny kalesiny Ary ny fikotrokotroky ny kodiany Ny ray dia tsy miherika ny zanany, fa miraviravy tànana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17FFB76F-6D36-476B-A878-53670FDE5F82
4
Noho ny hihavian'ny andro handravana ny Filistina rehetra Sy handringanana izay sisa rehetra amin'ny mpamonjy an'i Tyro sy Sidona; Fa horavan'i Jehovah ny Filistina, Dia ny sisa avy any amin'ny nosy Kaftora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C06D27DB-2108-44F8-A567-E28E404F0ED2
5
Voaharatra Gaza, Ringana[Na: Mangina.] Askelona mbamin'ny sisa amin'ny lohasahany; Mandra-pahoviana no mbola hitetika ny tenanao hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B58DC74-3A4A-44E7-B308-5192FD4F621A
6
Indrisy, ry sabatr'i Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midira ao amin'ny tranonao ihany; Mitsahara, ka mijanôna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A752797B-E1B0-4BA1-AAC2-6497311E6624
7
Hataony[Heb. Hataonao.] ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, Eny, hamely an'i Askelona mbamin'ny eny amoron-dranomasina No efa nanendreny azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93B6836D-6F3A-4AB7-87CC-94B9D924F66D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany