Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no teny nampilazain'i Jehovah an'i Jeremia mpaminany ny amin'i Babylona, dia ny tanin'ny Kaldeana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B7A9EA6-05EF-4417-8CD4-C9B47BF5CAE1
2
Ambaraonareo, eny, torio any amin'ny firenena, Ary manangàna faneva, -- Torio, fa aza afenina, Ataovy hoe: Afaka Babylona! Mangaihay Bela, raiki-tahotra Merodaka! Eny, mangaihay ny sampiny, Raiki-tahotra ny sarin-javatra!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52E4AA73-4210-447E-8A49-7C1978A82008
3
Fa misy firenena avy any avaratra miakatra hamely azy Ka hahatonga ny taniny ho lao tsy hisy mponina intsony; Fa na ny olona na ny biby dia samy handositra ka ho lasa avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60D43EF8-616A-4C10-9698-E08E4CF519AB
4
Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia ho avy ny Zanak'Isiraely, Dia izy mbamin'ny taranak'i Joda; Eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana Ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|303A7A2E-3877-4F60-9135-6AE75755A178
5
Hanontany ny làlana mankany Ziona izy Sady hanatrika hankany ka hanao hoe: Avia, ka maneke ho an'i Jehovah Amin'ny fanekena mandrakizay tsy hohadinoina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F53B4746-9135-4E9B-B65A-070024F35237
6
Ondry very ny oloko, Fa ny mpiandry azy nampirenireny azy, Eny, nampirenireny azy teny an-tendrombohitra izy; Nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny an-kavoana ireny, Ka hadinony ny tany fandriany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD3EF24F-BCF0-46AB-B2C6-54A2BD8D70E1
7
Izay rehetra nahita azy dia nandringana azy, Ary ny fahavalony nanao hoe: Tsy manan-keloka izahay, Satria izy efa nanota tamin'i Jehovah, fonenan'ny fahamarinana, Dia Jehovah, fanantenan'ny razany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5845B18-7A0A-459D-96EB-8885E4B7EBA2
8
Mandosira hiala an'i Babylona, Eny, mialà amin'ny tanin'ny Kaldeana, Ary aoka hianareo ho tahaka ny anankiray izay tari-dàlan'ny ondry aman-osy andiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFEC29B2-E9F4-4AE7-8AFB-DA1FE1EFADC2
9
Fa, indro, Izaho hamporisika sy hampiakatra firenena lehibe manao andiany avy any avaratra hamely an'i Babylona; Ary hilahatra hamely azy ireo, Ka avy ao no hanafahany azy; Ny zana-tsipìkany ho tahaka ny lehilahy mahery sady mahay, Izay tsy miverina foana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0AC8AB9-C336-43AF-B501-AFFA8A59D2A9
10
Ary Kaldea ho voababo; Izay rehetra mamabo azy dia ho afa-po, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B207BCF-C26F-4546-AB40-EA643412DF0E
11
Satria, mifaly sy miravoravo hianareo, Ry mpamabo ny lovako, Eny, mifalihavanja toy ny ombivavy kely mively vary[Na: ombivavy kely eny amin'ny ahitra.] hianareo Sady maneno toy ny soavaly matanjaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F2F4091-A514-4825-90BB-6B324F981CA4
12
Dia ho menatra indrindra ny reninareo, Hangaihay ilay niteraka anareo; Indro, ny faran'ny firenena, -- Efitra sady karankaina ary tani-hay!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E4FB8FA-D45D-476E-AB78-9E0657CAE5C5
13
Noho ny fahatezeran'i Jehovah Dia tsy honenana Babylona, Fa ho tonga tany lao avokoa; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga Ka dia hisitrisitra noho ny loza rehetra namelezana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D288114-45C3-4908-B1FE-7662470A17B0
14
Milahara manodidina hamely an'i Babylona, Hianareo rehetra izay manenjana tsipìka; Asio izy, fa aza tsitsina ny zana-tsipìka, Fa tamin'i Jehovah no nanotany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5305D9B3-8E58-4EB6-874B-259CD3EF5C05
15
Akoray manodidina izy! Fa efa nikoy; Nirodana ny bateriny, Rava ny màndany; Fa famalian'i Jehovah izany. Valio izy, Eny, toy ny efa nataony no mba ataovinareo aminy kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1D6EF51-E919-466C-88F1-4996830AA431
16
Aringano tsy ho any Babylona ny mpamafy Sy izay mitana fijinjana amin'ny fararano; Fa noho ny sabatra mandoza dia samy hihodina ho any amin'ny fireneny avy izy, Ary samy handositra ho any amin'ny taniny avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54BF65A7-E378-450A-BFAC-7AD483FE2152
17
Ondry izay voavily Isiraely, Liona no nanenjika azy; Voalohany dia ny mpanjakan'i Asyria no nandany azy, Ary farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ity no nanapatapaka[Na: nikiky.] ny taolany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63682BCD-4D01-45BC-9DBC-2FC300D3CBFF
18
Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hovaliako ny mpanjakan'i Babylona sy ny taniny Toy ny efa namaliako ny mpanjakan'i Asyria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|903F5E6A-4BF1-4341-832C-B9A5AE8D950F
19
Ary hampodiko ho any amin'ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, Ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; Ary any an-tany havoan'i Efraima sy Gileada no hahavoky azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3ED6E77-EBEF-4D87-A91A-C2E24B881D17
20
Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, Dia hotadiavina izay heloky ny Isiraely, fa tsy hisy; Ary izay fahotan'ny Joda, fa tsy ho hita; Satria havelako ny helok'izay sisa narovako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D009FC9C-A997-4A1C-A4D5-3BED2025C71B
21
Iakaro Ibefikomiana[ Anaran'i Babylona io. ] Sy ny mponina ao Ampamaliana;[ Anaran'i Babylona io. ]Ravao sy aringano[Heb. ataovy herema.] manarakaraka azy, hoy Jehovah, Ary manaova araka izay rehetra nandidiako anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A447ED78-DC8A-43CA-B759-38D41547BF7B
22
Misy tabataban'ady amin'ny tany Sy fandringanana be.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DED960A7-ACAD-4D68-AE35-B83CEEF8FC0F
23
Indrisy! tapaka sy torotoro ilay fampohazan'ny tany rehetra; Indrisy! Babylona efa tonga figagana any amin'ny firenena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5157C16A-4771-4DEF-BE9B-E510191BAA0D
24
Nofandrihako hianao, ry Babylona, ka voa, Nefa tsy fantatrao akory; Hita ka voasambotra koa hianao, Satria nila ady tamin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99D5F678-2746-4750-B3C8-42EA01B93B06
25
Novohan'i Jehovah ny firaketany, Ka navoakany ny fitaovan'ny fahatezerany; Fa misy hataon'i Jehovah, Tompon'ny maro, any amin'ny tanin'ny Kaldeana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44B5FF08-3AAA-478E-934D-FD720CC2E1E2
26
Avia koa hianareo rehetra hamely azy; Vohay ny trano fitoeran-kanina, Atobitobio toy ny antontam-bary, Ka levôny[Heb. ataovy herema.] avokoa izay ao; Fa aza avela hisy sisa ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4D71F2F-80CA-4486-91A3-BFC44A06E21E
27
Vonoy ireo ombilahy rehetra, Ary aoka hidina ho any amin'ny famonoana izy. Mahita loza izy, fa tonga ny androny, Dia ny fotoana hamaliana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|148D4558-14E3-46B1-B52F-ACBDAB5CA3D7
28
Injany! misy feon'izay mandositra Sy izay afaka avy any amin'ny tany Babylona, Hanambara ny famalian'i Jehovah Andriamanitsika ao Ziona, Dia ny famaliana noho ny tempoliny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A222DF3-B578-4179-B1D0-534AA7F548F1
29
Antsoy ny mpandefa zana-tsipìka hamely an'i Babylona, Dia ny mpanenjana tsipìka rehetra; Mitobia manodidina hamely azy; Aoka tsy hisy ho afaka izy; Valio araka ny asany izy, Eny, araka ny asa rehetra nataony no mba ataovy aminy kosa; Fa niavonavona tamin'i Jehovah izy, Dia tamin'ny Iray Masin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B5DEC6C-B975-42F4-A623-5A7ADCB1685C
30
Koa hiampatrampatra eny an-kalalahana ny zatovony, Ary ho ringana ny miaramilany rehetra amin'izany andro izany, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|669B7CAD-EC3E-4C40-AD26-2A821A552A7E
31
Indro, hiatrika aminao Aho, ry Ifiavonavonana,[ Anaran'i Babylona io. ] Hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Fa tonga ny andronao, Dia ny fotoana hamaliako anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|512D4832-EC5C-4CD8-8BEE-B2C7D515EA70
32
Ho tafintohina Ifiavonavonana,[ Anaran'i Babylona io. ] dia ho lavo, Ka tsy hisy hanarina azy; Ary handrehitra afo ao an-tanànany Aho, Ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3857B7DD-C830-42EF-A159-59C1395B1EB3
33
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Niara-nampahorina ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda; Ary izay rehetra namabo azy dia mihazona azy mafy Ka tsy mety mandefa azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1114BE17-5AEF-4658-84F2-C412231493E5
34
Mahery ny Mpanavotra azy, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany; Handahatra ny adiny tokoa Izy, Mba hampiadana ny tany Sy hampangovitra ny mponina any Babylona kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|721DB52C-BF5D-412B-8AFA-9762DD805C0C
35
Indro! hisy sabatra hamely ny Kaldeana Mbamin'ny mponina any Babylona Sy ny mpanapaka azy ary ny olon-kendriny, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6DE7474-80C2-40E9-9846-0023B17EAABF
36
Indro, hisy sabatra hamely ny mpibedibedy, ka ho very saina izy; Indro! hisy sabatra hamely ny lehilahy maheriny, ka hivadi-po izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|820CA94F-34E4-4E39-A4B1-85060A742BB6
37
Indro! hisy sabatra hamely ny soavaliny sy ny kalesiny Mbamin'ny olona samy hafa firenena rehetra ao aminy, Ka ho tonga toy ny vehivavy ireny! Indro! hisy sabatra hamely ny firaketany, ka horobaina izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58E06ED2-CBF4-493B-9B53-4F0645D626EF
38
Ny fihantonan'andro no mahatankina ny ranony; Fa tany be sarin-javatra voasokitra izy, Ary ny sampiny mahatahotra mahadala azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACF36921-D047-4FCD-95E4-D63AC5106952
39
Koa ny bibi-dia any an-efitra sy ny kary[Heb. jakala.] sy ny ostritsa no honina ao; Tsy honenana intsony mandrakizay izy Ary tsy hitoerana hatramin'ny taranaka fara-mandimby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F46C92AC-738A-4F34-B391-6002F78EAAFE
40
Toy ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora Mbamin'ny tanàna eny akaikiny, hoy Jehovah, No tsy hisian'olona honina any Na zanak'olombelona hivahiny any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DD1FD49-ABD3-40CA-A36D-F572622FD59B
41
Indro, misy firenena avy any avaratra, Dia firenena lehibe sy mpanjaka maro no mitsangana avy any amin'ny faran'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E936AFA6-8127-4259-8D51-3F36BF5B7572
42
Tsipìka sy lefona no entiny; Lozabe sy tsy mamindra fo izy; Ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, Sady mitaingin-tsoavaly izy Ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin'ny ady, -- Hamely anao, ry Babylona zanakavavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89AE0095-4E12-4F80-88B3-1553A56C6FDC
43
Efa ren'ny mpanjakan'i Babylona ny lazany, Ka miraviravy tànana izy; Fahoriana no mahazo azy, Eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10719BBC-1E5F-4072-8B36-C17631A0688C
44
Indro, toy ny fiakatry ny liona avy ao amin'ny kirihitrala eny amoron'[Heb. ny reharehany.] i Jordana No hiakarany ho any amin'ny misy ahitra mateza;[Na: fonenany mafy.] Nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy izy, Ary izay olona anankiray voafidy no hotendreko hanapaka azy; Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62A3E76B-1720-4803-8600-FC8F90F962AF
45
Koa henoy ny saina avy amin'i Jehovah, Izay nosaininy hamelezana an'i Babylona, Sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny tanin'ny Kaldeana; Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1265B58B-7E8A-400A-B405-F76B84024E3B
46
Noho ny antsoantso hoe: Efa afaka Babylona. dia mihorohoro ny tany, Ary ny fitarainana re dia ny amin'ny firenena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32911A81-C4D7-4943-9AD1-DA622103FD58
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany