Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin'ny mpandringana Hamely an'i Babylona sy izay monina ao Leba-kamay.[Leba-kamay = Kaldea.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30F6D7E1-EDFC-4226-8AEB-AD8E6C3DBB7A
2
Ary haniraka olona hafa firenena ho any Babylona Aho, Izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; Fa hamely azy manodidina amin'ny andro fahoriana ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DCD452A-C8B9-4471-AD5C-1E610D542180
3
Izay manenjana tsipìka Mbamin'izay miandranandrana amin'ny akanjo fiarovan-tenany, Dia aoka samy hasian'izay manenjana tsipìka; Aza tsitsinareo ny zatovony, Aringano[Heb. Ataovy herema.] avokoa ny miaramilany rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8D2AED2-56AD-402B-BBC2-AB7E8E7D4A54
4
Mba hiampatrampatra any amin'ny tanin'ny Kaldeana ny faty, Ary izay voatrobaka dia hiampatrampatra any an-dàlambeny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36643F60-25CD-4EDC-9DF7-50116639222E
5
Fa Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely sy ny Joda, Dia tsy hahafoy azy ho mpitondratena, Na dia henika ny fahotany amin'ny Iray Masin'ny Isiraely aza ny taniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A505D3CB-01A8-4740-8641-3A86F8162C68
6
Mandosira hiala an'i Babylona hianareo, Ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany hianareo; Fa izao no andro famalian'i Jehovah, Izy no hamaly azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7713F54B-3B4E-4BD9-B834-2110FAF93823
7
Babylona dia kapoaka volamena teny an-tànan'i Jehovah, Izay nahamamo ny tany rehetra; Ny divainy efa nisotroan'ny firenena, Koa izany no nahavery saina ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39A034A8-65BD-4AA9-999F-D4DD784733F2
8
Tampoka no naharavan'i Babylona sy nahatorotoroany; Idradradradrao izy; Makà balsama hatao amin'ny feriny maharary azy, Fa angamba ho sitrana ihany izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA7480BB-E60D-4CFC-AC38-DABBE3AE2F2E
9
Nitady hanasitrana an'i Babylona izahay, nefa tsy nety sitrana izy; Afoizo izy, ka andeha isika samy handeha any amin'ny tanintsika avy; Fa mahatakatra ny lanitra ny helony Ary mitehika amin'ny rahona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|107DB615-E6C7-43FE-B689-9FD5C3DA0E8A
10
Nasehon'i Jehovah ny fahamarinantsika; Andeha, ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan'i Jehovah Andriamanitsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16CBBBEA-8808-4F5F-BE3A-D73ECBA42565
11
Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin'ny mpanjakan'ny Mediana; Fa ny hamely an'i Babylona no nosaininy, mba handringanana azy; Fa famalian'i Jehovah izany, Eny, famaliana noho ny tempoliny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83C2E03B-0863-4641-B915-6467F4B04A9D
12
Manangàna faneva eo akaikin'ny màndan'i Babylona; Ataovy mafy ny fiambenana; Alatsaho ny mpiambina, alamino ny otrika; Fa Jehovah sady efa nisaina no nahatanteraka Izay nolazainy ny amin'ny mponina any Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2682D91-7753-4D6F-9771-E5F6DA76ED13
13
Hianao izay monina eny amoron'ny rano be Sady be rakitra, Tonga ny fiafaranao, Ka tsy hisy intsony ny filanao harena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DAB815D-6A26-411E-9BD4-F6D87C2E2A05
14
Jehovah, Tompon'ny maro, nianiana tamin'ny tenany hoe: Hofenoiko olona maro toy ny valala tokoa hianao, Ary ireny dia[Na: na dia hofenoiko olona maro toy ny valala aza hianao, dia ireny no.] hanakora hamely anao, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4B132EC-6D3D-453D-AFAB-BAE3E636C4F4
15
Dia Ilay nanao ny tany tamin'ny heriny Sy nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny Ary namelatra ny lanitra tamin'ny fisainany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A3DE71E-AF44-482B-902E-643823404DEC
16
Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, Dia nampiakatra zavona avy tany amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho an'ny ranonorana Izy Sady mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19E073AB-609A-4E24-A175-9E6CDBD81D9F
17
Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin'ny sarin-javatra voasokitra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, Satria tsy misy aina ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D0EB33C-AFC9-41E7-A7C1-FC89CB2C5074
18
Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin'ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0D35BAE-AF09-43CA-A20F-429A2732F153
19
Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran'i Jakoba, Fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C6B1DAB-B979-47A0-9B51-BE141563D59B
20
Langilangiko sy fiadiako hianao; Fa hianao no ho entiko manorotoro firenena, Ary hianao no ho entiko mandringana fanjakana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|169F8738-561B-46D2-B425-B6A6AE172EC8
21
Ary hianao no ho entiko manorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy, Ary hianao no ho entiko manorotoro ny kalesy sy ny mpitaingina azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E847882-88CB-4263-8D0E-5A0A5951378B
22
Hianao koa no ho entiko manorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy, Ary hianao no ho entiko manorotoro ny antitra sy ny tanora, Ary hianao no ho entiko manorotoro ny zatovo sy ny virijina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F259FE3F-891C-445C-A54C-C1D80E2D2BC2
23
Hianao koa no ho entiko manorotoro ny mpiandry ondry sy ny ondry andiany, Ary hianao no ho entiko manorotoro ny mpiasa tany sy ny ombiny roa mizioga, Ary hianao no ho entiko manorotoro ny governora sy ny lefiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29EF8F47-41C9-452D-8C78-9299A220D9B3
24
Ary hampanodiaviko an'i Babylona sy ny mponina rehetra any Kaldea Ny ratsy rehetra izay efa nataony tao Ziona teo imasonareo, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47917F86-644B-4CDB-BD25-C14D8826CD2B
25
indro, hamely anao Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza, Izay mandringana ny tany rehetra, hoy Jehovah; Ary hahinjitro ny tànako hamelezana anao, Dia hakodiako hianjera amin'ny harambato hianao Ka hataoko tendrombohitra mirehitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC413304-5FE4-4B65-B07B-8B71BCC422B6
26
Ary tsy mba hakana vato hatao fehizoro hianao, Na hatao vato fanorenana; Fa ho lao mandrakizay hianao, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EDA7CCE-D472-41D9-9A10-6BDF3F37C943
27
Manangàna faneva eny amin'ny tany; Mitsofa anjomara any amin'ny firenena; Manendre[Heb. Manamasìna] firenena hamely azy; Antsoy ny fanjakan'i Ararata sy Miny ary Askenaza hamely azy; Asio mpifehy hamely azy; Mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina.[Na: mahatsiravina.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51B24D55-4EE7-416E-810A-BBEC4F7E180F
28
Manendre[Heb. Manamasìna.] firenena sy ireo mpanjakan'ny Mediana hamely azy, Ny governora sy ny lefiny rehetra Ary ny tany rehetra anjakany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9669DD72-11E1-4AAC-82CE-4633B3A6A001
29
Mihorohoro sy mangovitra ny tany; Fa tanterahina amin'i Babylona ny fikasan'i Jehovah rehetra, Mba hahatonga ny tany Babylona ho lao tsy misy mponina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41DC3500-3EED-4988-B702-746B01E2F808
30
Nitsahatra tamin'ny ady ny lehilahy maherin'i Babylona, Nitoetra tao amin'ny batery fiarovana izy, Lany ny heriny; Tonga toy ny vehivavy izy; Nodorana ny fonenany, Tapaka ny hidiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C69247B-8D78-4CED-A168-54D5D2895929
31
Mifamoivoy be ihany ny iraka mpihazakazaka, ary mifamoivoy be ihany ny mpitondra teny, Mba hanambara amin'ny mpanjakan'i Babylona Fa afaka ny tanànany manontolo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F617732-F3B0-4968-A590-A05B61BF141E
32
Ary efa azo ny fitana, ary nodorany tamin'ny afo ny heniheny, Sady toran-kovitra ny miaramila.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12F2B2E4-F060-47ED-A583-37DF934F077E
33
Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Babylona zanakavavy dia tahaka ny famoloana amin'ny andro anosena azy; Ary raha mbola tsy toy inona dia ho avy ny andro hijinjana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EF614C7-B69F-4493-90BF-43FDD45EED1A
34
Efa lanin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona izahay; Naringany izahay; Napetrany toy ny vata tsy misy entana izahay; Nateliny toy ny fitelin'ny mamba izahay; Nivokisan'ny kibony ny zava-piko, Ka dia nandroaka ahy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9621FA7C-A869-47C4-81F3-ECF7019BEB68
35
Aoka ny mponina ao Ziona hanao hoe: Hanody an'i Babylona anie ny loza nanjo ahy sy ny nofoko! Ary aoka Jerosalema hanao hoe: Hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB03CB94-5D85-4FE0-9287-1DBC9EA5D55A
36
Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hisolo vava anao amin'ny adinao Aho Sady hanao famaliana ho anao, ary horitiko ny ranomasiny, Sy hataoko tankina ny loharanony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9910BFF-289C-4968-8BAA-475D350D55B2
37
Ary Babylona ho tonga korontam-bato, Ho fonenan'ny amboadia,[Na: jakala.] Ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, Ka tsy hisy mponina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C81BD59B-C622-433C-9F3A-CED3FE8777D3
38
Hiara-mierona toy ny liona tanora izy; Hikaonkaona toy ny zana-diona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|866713C8-1382-4116-9070-E24F7F71EFDB
39
Raha mbola liana izy, dia hanaovako fanasana ho azy, Ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, Dia hatory amin'ny torimaso mandrakizay izay ka tsy hifoha intsony, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|505FA250-B8D1-4B59-9DAD-4182A220933C
40
Hampidiniko ho any amin'ny famonoana toy ny zanak'ondry izy, Sy toy ny ondrilahy mbamin'ny osilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|069E8FCE-18EF-4536-A2B9-201CEB974603
41
Endrey! afaka Sesaka![Sesaka = Babela.] Ary azo ilay fidèran'ny tany rehetra, Endrey! tonga figagana any amin'ny firenena Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11566607-895F-4A13-9648-46FADE711112
42
Ny ranomasina nanafotra an'i Babylona; Voasaron'ny habetsahan'ny onjany izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC98760B-4560-4294-9CFD-60002B0FCC74
43
Ny tanànany dia lao Sy karankaina ary tani-hay, Dia tany tsy onenan'olona sady tsy misy zanak'olombelona mamaky eo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CC6852B-8640-4EDD-8FF0-BB303B5FDF77
44
Ary Bela dia hampijaliko any Babylona, Ka hasaiko haloany izay nateliny; Ary ny firenena tsy hitanjozotra hankany aminy intsony; Ny màndan'i Babylona dia hirodana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CE1006F-F9A1-4AF4-A3C8-1689A122E93A
45
Mivoaha avy ao afovoany hianareo, ry oloko, Ary samia mamonjy ny ainareo avy hianareo, Mba tsy ho azon'ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A271B43-AA26-4A00-98A3-00576AA91A07
46
Ary fandrao ketraka ny fonareo, Ka matahotra hianareo noho ny tsaho miely amin'ny tany; Fa amin'ny iray taona dia hisy tsaho, ary amin'ny taona manaraka indray dia mbola hisy tsaho ihany koa Sy loza amin'ny tany, Dia mpanapaka mamely mpanapaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11846549-9227-4AAA-94D5-7CDD5B1E849A
47
Koa, indro, avy ny andro Hamaliako ny sarin-javatr'i Babylona; Ho menatra ny taniny rehetra; Ary ny fatiny rehetra dia hiampatrampatra eo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E86AA2F-F669-4C46-B0F9-35F1B231DEF2
48
Ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy dia hihoby noho ny amin'i Babylona, Satria tonga ao aminy avy any avaratra ireo mpandringana, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26FDA0C5-66FB-4282-94D3-B502347FB926
49
Toy ny nampiampatramparan'i Babylona ny faty tamin'ny Isiraely, Dia ho toy izany hiampatramparan'ny faty amin'ny tany rehetra noho ny amin'i Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16B5E456-C22F-41D8-92CA-FE0176AD8CBC
50
Hianareo izay tsy voan'ny sabatra, Mialà, fa aza mijanona; Tsarovy Jehovah, raha mbola lavitra hianareo, Ary aoka ho mby ao an-tsainareo Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8278A73C-1BBB-4D44-B748-4B1804F498D4
51
Menatra izahay, fa efa nandre latsa; Manarona ny atrehinay ny henatra; Fa ny hafa firenena no niditra teo amin'ny fitoerana masina amin'ny tranon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15F26D8C-0AEA-4025-81F0-96F78E9DE313
52
Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hamaliako ny sarin-javatra voasokitra ao koa; Ary hitoloko eran'ny taniny rehetra ny voatrobaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3313B1F-EA0E-4142-837A-8777F697BC96
53
Na dia miakatra any an-danitra aza Babylona, Ary na dia ataony mafy aza ny fitoerana avo izay heriny, Dia avy amiko no hihavian'ny mpandringana azy, hoy Jehovah;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F18E97F6-8BAF-42E0-87A8-A3FBC1DC4097
54
Injany! misy feo mitaraina avy any Babylona sy fandringanana be avy any amin'ny tanin'ny Kaldeana!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EB1FC0B-919C-4F34-9554-D6510EF600FC
55
Fa Jehovah no mandrava an'i Babylona Sy mampitsahatra ny fihorakorahana eo aminy, Ary hirohondrohona toy ny rano be ny onjany, Eny, re tokoa ny feon'ny firohondrohony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|093F8464-7CD2-40F0-BAF3-C7FE532392FF
56
Fa tonga ao aminy, dia ao Babylona, ny mpandringana, Ary voasambotra ny lehilahy maheriny; Tapatapaka avokoa ny tsipìkany; Satria Jehovah dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBCE2A70-0770-438F-B8CB-F835D9A0C9DE
57
Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, Ny governorany sy ny lefiny ary ny olo-maheriny; Ary hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, Hoy ny Mpanjaka, -- Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BF61010-0EAA-4613-A924-F4542FFED73F
58
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro! Ny mànda malalaka any Babylona dia horavana tokoa hatramin'ny fanorenany, Ary ny vavahadiny avo hodorana amin'ny afo. Ka dia ho nisasatra foana ny firenena, Ary ny olona ho nisasatra ho an'ny afo ka ho reraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9DD49FC-165C-43F0-BB83-69DCCDF2B0CB
59
Ny teny izay nandidian'i Jeremia mpaminany an'i Seraia, zanak'i Neria, zanak'i Mahaseia, fony izy nandeha niaraka tamin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho any Babylona tamin'ny taona fahefatra nanjakany. Fa Seraia no lehiben'ny mpanorin-dasy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDF77542-F34F-49BC-B7F8-EDE1ACBBF063
60
Ary nosoratan'i Jeremia teo amin'ny boky iray ny loza rehetra izay hanjo an'i Babylona, dia ireo teny rehetra ireo, izay voasoratra ny amin'i Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|833CFCBD-7D1D-41EE-8553-5D6EEAA8AA85
61
Ary hoy Jeremia tamin'i Seraia: Rehefa tonga any Babylona hianao, dia tandremo tsara mba hovakinao ireo teny rehetra ireo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A773CAF0-AB2A-4947-8860-10F76CC19C84
62
ka manaova hoe: Jehovah ô, Hianao no niteny hamely ity tany ity handringana azy, ka tsy hisy hitoetra eto, na olona na biby, fa ho tany lao mandrakizay izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|990BE749-C7E3-48BF-A1A8-FB06B195CF54
63
Ary rehefa tapitra ny famakianao ity boky ity, dia asio vato afehy aminy, ary atsipazo ao Eofrata izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C2712F8-B842-4431-BEB4-3DC147C68B52
64
ka ataovy hoe: Toy izao no hilentehan'i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko mihatra aminy, ka dia ho reraka izy. Hatreto no tenin'i Jeremia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8507791D-8D3E-4907-9E33-52C9171027AA
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany