Jeremia 52: 1-34

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Iraika amby roapolo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i Jeremia avy any Libna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBE8A365-E871-4855-A6B6-9EDF63795A37
2
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, araka izay rehetra nataon'i Joiakima.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88666DE5-E63C-4EDE-AA35-63CDF3D3B6BA
3
Fa ny fahatezeran'i Jehovah no nahatongavan'izany tamin'i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin'ny mpanjakan'i Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85F35F64-3E1B-496E-9F57-D46DEA363FE6
4
Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia, dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an'i Jerosalema, ka nitoby tandrifiny sady nanao tilikambo manodidina azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE4AD950-B9A7-4198-AED9-A09D64D6D2C4
5
Ary ny tanàna dia nataony fahirano hatramin'ny fahiraika ambin'ny folo taona nanjakan'i Zedekia mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84F7AC4E-B5BB-4D91-B310-0A601FA8A6E9
6
Ary tamin'ny andro fahasivy tamin'ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina ho an'ny olona tompon-tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FBBDF45-BFC7-4EAB-B139-0F8929A933C4
7
Ary nisy voabanga ny tanàna, dia nandositra alina ny miaramila rehetra ka niala tao an-tanàna tamin'ny làlana mankamin'ny vavahady tanelanelan'ny mànda roa, izay eo anilan'ny sahan'ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ka nandeha tamin'ny làlana mankeny amin'ny tani-hay.[Heb. Arabà.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02A13CF2-34A2-4CE2-9B67-FA57E70BD7C0
8
Ary ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra an'i Zedekia teny amin'ny tani-hay[Heb. Arabà.] any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD6D5E46-B194-483B-A513-3AF979407B5C
9
Ary voasambotra ny mpanjaka ka nentiny niakatra ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla any amin'ny tany Hamata, ka dia notsaraina tao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B01C5AA-E0E4-4A7D-AD81-DDE20AC73D3F
10
Ary ny mpanjakan'i Babylona namono ny zanakalahin'i Zedekia teo imason-drainy; ary ny mpanapaka ny Joda rehetra koa dia novonoiny tao Ribla.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B99C3C7-5172-4227-93B8-C8B1F7DD7A24
11
Ary nopotsiriny ny mason'i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona ary nataony tao an-trano-maizina mandra-pahafatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CF6D2B0-0327-4C6A-AE95-43B7621B70C7
12
Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahasivy ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, mpanompon'[Heb. izay nitsangana teo anatrehan'.] ny mpanjakan'i Babylona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E3352E8-5E9B-4B7C-A853-5741AFB23D6B
13
ka nandoro ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|409A4AB8-CEAC-46CC-9C65-2DC29EFC0218
14
Ary ny mànda rehetra manodidina an'i Jerosalema dia noravan'ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra, izay nanaraka ny lehiben'ny mpiambina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1180F055-A28D-4AE9-8E2C-50E91258CD51
15
Ary ny sasany tamin'ny olona malahelo mbamin'ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan'i Babylona mbamin'ny vahoaka maro be sisa dia nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|339A2AA5-18AE-4CC4-8ECA-5F2CD6417E0B
16
Nefa ny olona malahelo dia namelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ihany mba ho mpamboatra tanimboaloboka sy ho mpiasa tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1795D0D8-6AE6-4D64-AE0A-3C8A47352631
17
Ary ireo andry varahina teo amin'ny tranon'i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe,[Heb. ranomasina.] izay teo amin'ny tranon'i Jehovah, dia novakivakin'ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|169FFBA0-CEBC-447B-A95E-EDE77697D2FD
18
Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely mbamin'ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A4B6CB4-715A-4260-B5AF-0D5A4FDF95C4
19
Ary nentin'ny lehiben'ny mpiambina koa ny lovia sy ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana sy ny fandraofan-davenona sy ny fanaovan-jiro sy ny lovia kely sy ny kapoaka -- na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentin'ny lehiben'ny mpanapaka avokoa, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A71FB9E9-9F8B-404F-8A7E-82D35E1FC386
20
ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe[Heb. ranomasina.] iray ary ny omby varahina roa ambin'ny folo, izay teo ambanin'ny fitoeran-tavin-drano, izay nataon'i Solomona mpanjaka ho an'ny tranon'i Jehovah; ny varahina tamin'izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|305AEAB9-7B14-4B38-8C39-970ABDE8B698
21
Fa ny andry, dia valo ambin'ny folo hakiho no hahavony, ary roa ambin'ny folo hakiho ny manodidina azy; ary ny hateviny dia voantondro efatra, fa poakaty izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D895B7F-A1C2-4579-9587-3227FF822740
22
Ary nisy kapitaly varahina teo aminy; dimy hakiho no hahavon'ny kapitaly anankiray, ka nisy harato sy ampongabendanitra manodidina ny kapitaly, samy varahina avokoa izy. Ny andry faharoa koa sy ny ampongabendanitra dia mba tahaka izany ihany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6D17AC8-0F55-4F79-99E4-79DFC10EF5E4
23
Ary nisy ampongabendanitra enina amby sivifolo teo ivelany; ary ny ampongabendanitra rehetra manodidina ny harato dia zato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE53FEC5-E391-4AA4-8416-BA339B48146E
24
Ary ny lehiben'ny mpiambina nisambotra an'i Seraia mpisoronabe sy Zefania mpisorona manarakaraka ary mpiandry varavarana telo lahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|897D31A4-8084-4E4F-9035-9E87E8F21122
25
ary tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary fito lahy tamin'izay mpitoetra eo anatrehan'ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpanoratry ny komandin'ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enim-polo lahy izay hita teo an-tanàna,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4497EB86-A1E3-48B7-8717-FF6E91117D1C
26
dia nosamborin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C4F8F6A-04EA-4982-B693-970DF8C9EF2C
27
Dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla any amin'ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin'ny taniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55FEB503-2BDB-48BB-A551-79F9C8B18DB5
28
Izao no olona nentin'i Nebokadnezara ho babo tamin'ny taona fahafito, Jiosy telo amby roa-polo sy telo arivo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB37C491-CC37-46F7-90F4-F30CB263D881
29
tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara dia ro amby telo-polo amby valon-jato no olona nentiny ho babo avy tany Jerosalema;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D10F313-353C-4B86-BDB2-07EEB1B8F9F9
30
tamin'ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan'i Nebokadnezara dia Jiosy dimy amby efa-polo amby fiton-jato no nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo. Ny tontalin'izy rehetra dia enin-jato amby efatra arivo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F4849CC-06B6-463D-95D7-FFDBB68DC19C
31
Ary tamin'ny andro fahadimy amby roa-polo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona fahafito amby telo-polo taorian'ny namaboana an'i Joiakina, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona vao nanjakan'i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona, dia nasandrany[Heb. nasandrany ny lohany.] hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8866D5F0-634F-49BD-8D09-CF6E6D05536A
32
Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany dia nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo mpanjaka namany tao Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEA43BC2-039E-462A-B8D5-62B729E35C3D
33
Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC115604-566F-4800-9D43-9B3071C7CF36
34
Ary ny hanina nohaniny dia hanina nomena avy amin'ny mpanjakan'i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan-andro isan-andro tamin'ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6816632E-F505-43B0-A8B2-C6C5762ABC35
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany