Andininy
Protestanta Malagasy
1
Hianareo, zanak'i Benjamina, mandosira faingana Hiala an'i Jerosalema, Ary tsofy ao Tekoa ny anjomara, Ka manaova tsangan-afo[Na: manangàna famantarana.] ao Beti-hekerema; Fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2186F04F-2E6C-41C6-8FA6-897EAEA70A52
2
Ziona zanakavavy dia ampitoviko Amin'ny fiandrasan-ondry misy ahitra milenodenoka.[Na: Aringako ilay tsara tarehy sy mihantahanta, dia Ziona zanakavavy.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9E3723B-3856-4ABF-B284-F5C4C377D9BD
3
Ao aminy no alehan'ny mpiandry sy ny ondry; Haoriny manodidina azy ny lainy, Ka samy handany ny ao akaikiny avy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06E07490-012C-4AE4-9F8D-7258E6C09470
4
Mitaova hianareo hanao ady masina hamelezana azy; Mitsangàna, ka andeha isika hiakatra antoandro. Lozantsika! fa lasan-davitra ny andro, Ka efa mandroso ny aloky ny hariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7BB71D9-B9F8-4569-BCB7-EB0385A5F7AA
5
Mitsangàna, ka andeha isika hanao latsak'alina, Ary aoka horavantsika ny trano-beny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B01F2202-D038-4487-B4BF-E7464D8D007C
6
Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro; Kapao ny hazo, Ary manandrata tovon-tany hamelezana an'i Jerosalema; Io ilay tanàna hovaliana, Feno fampahoriana ny ao anatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C9D5472-E705-4950-81D2-5E670B6593C8
7
Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony No ampiboiboihany ny faharatsiany; An-keriny sy fandravana no re ao aminy; Eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B5ECE99-0C64-4118-AA57-D0AD8CA2D21F
8
Minoa anatra hianao, ry Jerosalema, Fandrao miombotra miala aminao ny fanahiko, Ary fandrao hataoko tany lao hianao, Dia tany tsy honenana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11E7264C-0166-4739-9600-6F0D3278D9EB
9
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hotsimponina fatratra toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin'ny Isiraely; Avereno ho amin'ny sakeliny[Na: harona.] ny tànanao Toy ny mpioty voaloboka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1BC486C-6388-4AA7-AA66-789394D28261
10
Iza no hilazako sy hanariko mba handrenesany? Indro, ny sofiny dia tsy voafora, Ka tsy mahahaino izy; He! tsatsoiny ny tenin'i Jehovah Ka tsy ankamaminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4B64A79-837A-4E16-BE6C-65850D33A2A0
11
Fa ny fahatezeran'i Jehovah mahafeno ahy Ka tsy zakako tsindriana intsony! Aidino amin'ny ankizy madinika eny an-dàlambe Sy amin'ny fiokoan'ny zatovo izany; Fa na lehilahy na vehivavy dia hosamborina avokoa, Ary ny anti-panahy mbamin'ny ela niainana koa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14D9EDEA-340D-410D-B6A4-0A8DA3FE71C2
12
Ary ho lasan'ny sasany ny tranony Mbamin'ny sahany sy ny vehivavy koa Fa hahinjitro amin'ny mponina amin'ny tany ny tànako, hoy Jehovah,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E60DCBF-8336-45BF-BE72-B414814779E3
13
Satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, Dia samy fatra-pila harena avokoa; Na ny mpaminany na ny mpisorona Dia samy mamitaka avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4603655-F667-4B0D-BE91-1B782766B656
14
Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran'ny oloko zanakavavy Tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4D67A5E-7144-420F-A236-51ECBFE65B79
15
Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana, -- Nefa tsy mba menatra akory izy ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin'izay lavo izy, -- Amin'ny andro hamaliako azy dia ho tafintohina izy, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|856BAF23-09F7-43E5-86FE-B5EBCA470E29
16
Izao no lazain'i Jehovah: Mijanôna eo an-dàlana hianareo, ka izahao, Ary anontanio izay làlana masaka hatry ny ela. Dia izay làlana mankany amin'ny tsara, Ka iny no izory, Dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo hianareo; Nefa hoy izy: Tsy hizotra izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|352561E3-B9E1-4ED1-9A32-04E313B7CF2F
17
Ary nasiako mpitily hianareo hanao hoe: Henoy ny feon'ny anjomara! Nefa hoy hianareo:[Heb. izy.] Tsy hihaino izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54ADAC67-5A8D-41D2-B153-B6A613CAA59F
18
Koa henoinareo, ry jentilisa, Ary aoka ho fantatrareo, ry fiangonana, ny hanjo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1A8D8E6-4CB7-4A3D-B183-CAB98FEBABE5
19
Henoy, ry tany! Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity firenena ity, Dia vokatry ny heviny ihany; Fa tsy nihaino ny teniko izy, Ary nolaviny ny lalàko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E472777-0FAC-49BA-9F84-7C1791636B9D
20
Nahoana no itondrana ditin-kazo mani-pofona avy any Sheba Aho Sy veromanitra avy any amin'ny tany lavitra? Tsy sitrako ny fanatitra doranareo, Ary tsy mamiko ny zavatra vonoinareo hatao fanatitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|552F5CE4-5D38-47B9-B41D-1983C9E4C8FD
21
Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hasiako fahatafintohinana eo amin'ity firenena ity, Ka dia samy ho tafintohina amin'izany ny ray mbamin'ny zanany; Ho faty ny olona mbamin'ny namany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8CB667E-A92D-45C4-958D-E42689564E24
22
Izao no lazain'i Jehovah: Indro, misy firenena avy any amin'ny tany avaratra, Dia firenena lehibe mitsangana avy any amin'ny faran'ny tany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E42BF71-EDD9-4A9B-8AA2-1CC1073FD69F
23
Tsipìka sy lefona no entiny, Lozabe sady tsy mamindra fo izy; Ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, Sady mitaingin-tsoavaly izy Ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin'ny ady, Hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|083C8154-A6A9-4CB9-A4D1-2CB30AF03449
24
Efa renay ny lazany, Ka miraviravy tànana izahay; Fahoriana no mahazo anay, Eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3EE275A-3925-48C8-B42F-3D360D0BAF96
25
Aza mivoaka ho any an-tsaha, Ary aza mandeha ho amin'ny làlambe; Fa manan-tsabatra ny fahavalo, Misy fampangorohoroana manodidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|927D01D9-84C7-4A17-9B4D-805C25111CD9
26
Ry oloko zanakavavy,misikìna lamba fisaonana hianao, ary mihosena lavenona, Ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana,dia fitomaniana fatratra; Fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62F2668B-7DA3-47BE-BD5F-6FDC6AFD7572
27
Ho mpizaha toetra ao amin'ny oloko no nanendreko anao, dia ho fiarovana mafy, Mba ho fantatrao sy hizahanao toetra ny alehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD26AC3F-0D66-417A-9DAA-3ADF847EBA96
28
Tena maditra avokoa izy rehetra Ka mandehandeha manaratsy, Varahina sy vy izy; Samy mpanao ratsy avokoa izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A061814-C2BF-4DE3-9AA4-594AC091410F
29
May ny tafoforana, Levon'ny afo ny firaka, Foana ny nandrendrehan'ny mpandrendrika, Fa tsy voaisotra ny ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67A5ABC3-E73E-4CFE-BF9E-AE321682434C
30
Ataon'ny olona hoe Volafotsy tsy lany izy, Satria tsy lanin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|992702F8-EEEA-4795-A660-5997CCAB4A6E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany