Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07149D23-7F5B-456B-8814-B45EB86BF9B3
2
Mitsangàna eo am-bavahadin'ny tranon'i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah hianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin'ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0174AAB7-9A58-4EBB-A805-10F5AF688453
3
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ataovy tsara ny làlanareo sy ny ataonareo, Dia hamponeniko amin'ity tany ity hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74120334-7B2E-4223-B3CE-0BA5CDE5F201
4
Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin'i Jehovah, tempolin'i Jehovah, Tempolin'i Jehovah ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E86F1F3F-4056-4D24-AA34-6BEF435774C2
5
Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny làlanareo sy ny ataonareo, Ka mitsara marina ny adin'olona amin'ny namany hianareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00BB36F9-08BB-4CC5-AAF0-3886F2ED0B08
6
Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, Na mandatsaka ra marina amin'ity tany ity, Sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F31FB8F7-24E4-4157-BA0D-9E2BE84D6675
7
Dia hamponeniko amin'ity tany ity ihany hianareo, Dia eto amin'ny tany nomeko ny razanareo, Hatramin'ny ela ka ho mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BB4B377-8062-473F-B457-4CEADAD7D7D5
8
He! hianareo matoky ny teny lainga, Nefa tsy mahasoa tsinona izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|798B1FD4-52BE-4EF2-985D-D0876FA94A47
9
Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va hianareo Ary hianian-tsy to sy handoro ditin-kazo manitra ho an'i Bala Sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BEC6D84-693A-41CE-9B7F-3CFBCA601710
10
Nefa mbola avy miseho eto anatrehako Amin'ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany hianareo Ka manao hoe: Efa voavonjy izahay -- mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4EA9242-2368-4E21-87BA-DFF1D27EC99F
11
Moa ataonareo ho zohy fieren'ny jiolahy va Ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity? Indro, ny tenako aza dia mahita izany, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35B4A4C0-342C-4C1A-B315-24D67CFDFC97
12
Fa mandehana hianareo any amin'ny fitoerako izay tao Silo, Dia ilay nasiako ny anarako tany am-boalohany, Ka jereo izay nataoko taminy Noho ny haratsian'ny Isiraely oloko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|190F13C7-BF01-469C-8633-FE7A6174C99E
13
Koa ankehitriny, hoy Jehovah, satria nanao izany zavatra rehetra izany hianareo, Ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa ka niteny taminareo, nefa tsy nohenoinareo, Ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|719A4DA1-9576-46AB-AF1D-79484FD4CFFD
14
Koa dia ho toy ny nataoko tamin'i Silo No hataoko amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako sady efa itokianareo, Sy amin'ny fitoerana izay nomeko anareo sy ny razanareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37AC598D-D7FF-470D-B0A7-9B5B5A496914
15
Ary hesoriko hiala eto anatrehako hianareo Toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra, Dia ny taranak'i Efraima rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6BAF25B-A43C-4B4A-B99C-5FC19B740E31
16
Koa aza mivavaka ho an'ity firenena ity hianao, Ary aza manandratra fitarainana sy fivavahana ho azy Na mifona amiko; Fa tsy hihaino anao Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74449763-F246-4F5E-9725-5E98A5D70EF5
17
Tsy hitanao va ny ataon'ireo any an-tanànan'ny Joda Sy any an-dàlamben'i Jerosalema?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3DC5DC9-F97D-47C5-AB88-4AE8654735F4
18
Ny zaza manangon-kitay, Ny ray mandrehitra afo, Ary ny vehivavy mametafeta ny koba hatao mofo ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra Sy hanidinana fanatitra aidina ho an'ny andriamani-kafa Mba hampahasosotra Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE67B8A9-8B52-46CC-AD4B-2F9B9531013F
19
Moa Izaho va no ampahasosorin'ireo, hoy Jehovah, Fa tsy ny tenany ihany mba ho fangaihainy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D20106F2-CE68-44B0-A506-732CE5F576A0
20
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako haidina amin'ity tany ity, Dia amin'ny olona sy ny biby fiompy Sy ny hazo any an-tsaha Ary ny vokatry ny tany; Dia hirehitra izany ka tsy hovonoina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA3EE0B0-36DA-42C4-B6BA-AE69E3E8B65C
21
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aoka ny fanatitra dorana ho naman'ny fanatitrareo hafa alatsa-dra, ka mihinàna hena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B046CC73-E46F-47FC-B27F-C5B475D5C135
22
Fa tsy ny amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa No nitenenako tamin'ny razanareo na nandidiako azy Tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2058E9D0-7AA3-4D58-BB89-B42C40B71998
23
Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko Dia ho Andriamanitrareo Aho, Ary hianareo ho oloko Ka handeha amin'ny làlana rehetra nandidiako anareo, Mba hahitanareo soa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09782032-97EC-43A7-A3EA-1532C35FFB3F
24
Kanjo tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, Fa nandeha tamin'ny fisainany sy ny ditry ny fo ratsiny ihany izy Dia niamboho, fa tsy mba nanatrika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DE9FFBB-5A2E-4AE3-B521-7F5721BA674C
25
Hatramin'ny andro nivoahan'ny razanareo avy tany amin'ny tany Egypta ka ambaraka andro-any Dia nirahiko ho any aminareo ihany ny mpaminany mpanompoko rehetra, Eny, nifoha maraina koa isan-andro Aho ka naniraka azy mandrakariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3DBE0BB-D655-41DB-8987-C01E17119CA8
26
Nefa tsy nihaino Ahy izy ireo Sady tsy nanongilana ny sofiny, Fa nanamafy ny hatony Ka nanao ratsy mihoatra noho ny razany aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C47827FD-5E3D-45E0-AD99-652C40A6B679
27
Ary na dia holazainao aminy aza ireo teny rehetra ireo, Dia tsy hihaino anao izy; Ary na dia antsoinao aza izy, Dia tsy hamaly anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2CBC3B3-75DD-4FF5-904B-6F8690DC0DE1
28
Koa lazao aminy hoe: Ity no firenena tsy mihaino ny feon'i Jehovah Andriamaniny Sady tsy mino anatra; Very ny fahamarinana, Fa afaka tamin'ny vavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FDCA095-EBD0-478B-AD55-90D00F69C07D
29
Hetezo ny volonao, ry Jerosalema, ka ario, Ary manaova hira fahalahelovana avy an-tendrombohitra mangadihady, Satria lavin'i Jehovah sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84C95C20-3996-4736-869D-11C6ED406294
30
Fa manao izay ratsy eo imasoko ny taranak'i Joda, hoy Jehovah, Mametraka ny fahavetavetany ao amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy Mba handoto azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4368954C-1DC0-4362-9A29-5D85EE98F099
31
Ary izy nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, Izay ao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, Handoroany ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy amin'ny afo; Nefa zavatra tsy mba nandidiako Na tao an-tsaiko akory aza izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F4299B7-66D8-45A3-80AD-01DE75976C0A
32
Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana azy intsony hoe Tofeta, Na lohasahan'ny taranak'i Hinoma, Fa lohasaha Famonoana kosa; Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD7E5CC7-14D1-450E-B817-53C5BFDD9457
33
Ary ny fatin'ity firenena ity dia ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia, Ka tsy hisy hanaitaitra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17B8F3D4-108B-4F80-AEF8-A45E9E379A05
34
Dia hatsahatro any an-tanànan'ny Joda sy eny an-dàlamben'i Jerosalema Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, Dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina; Fa ho lao ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C716CB4-252C-4CB6-92B7-3697D85B266C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany