Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan'ny mpanjakan'ny Joda sy ny taolan'ny lehibeny sy ny taolan'ny mpisorona sy ny taolan'ny mpaminany ary ny taolan'ny mponina any Jerosalema,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18D9566D-B5C7-48B2-B8FC-8ACFDC53FCA7
2
ka haeliny eo anatrehan'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana rehetra eny amin'ny lanitra, izay efa tiany sy notompoiny sy efa narahiny sy efa notadiaviny ary efa niankohofany teo anatrehany: tsy hangonina na halevina intsony ireny, fa hatao zezika eny ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC735696-3208-4CFF-8FEA-759927770F10
3
Ary ny sisa rehetra amin'ity taranaka ratsy ity, izay mbola sisa any amin'ny tany rehetra nandroahako azy, dia haniry ny ho faty noho ny ho velona, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F8E7456-CECE-4572-BD29-0744BCD05B88
4
Ary koa, lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ho lavo va ny olona ka tsy hiarina? Hihodina hivily va ny olona ka tsy hitodika hiverina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18AEB2C9-D1C2-4C13-9AFA-907795132324
5
Nahoana ity firenena eto Jerosalema ity[Heb. ity firenena Jerosalema ity.] no miodina Amin'ny fiodinana tsy mety mitsahatra? Mikikitra mafy amin'ny fitaka izy Ka tsy mety miverina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE87C595-E7C6-4122-81EB-5A612521D5B1
6
Nihaino Aho, ka nandre, Fa manao teny tsy marina izy; Ary tsy misy manenina ny amin'ny haratsiany hoe: Endrey izany nataoko izany! Izy rehetra dia samy mivily mankamin'ny alehany avy[Na: samy mivily eny am-pandehanany.] Tahaka ny soavaly miriotra ho amin'ny ady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32327C80-3F98-4F36-B8C9-C5DFC01F8C48
7
Na dia ny vano eny amin'ny lanitra aza dia mahalala ny fotoan'androny, Ary ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa Samy mitandrina ny fotoana fihaviany; Fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8395B4BC-F6EF-441D-BE20-602174465EF1
8
Ahoana no anaovanareo hoe: Hendry izahay, Ary ato aminay ny lalàn'i Jehovah? Nefa ny fanoratan-daingan'ny mpanoratra mahatonga azy ho lainga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91D2FE7F-612D-457E-9B18-B9265A1B2C67
9
Mahazo henatra ny hendry, Raiki-tahotra sy voasambotra izy; Indro, ny tenin'i Jehovah dia nolaviny, Ka inona intsony no fahendrena ananany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F06B886B-5F20-4448-BEFC-2A5A83CC6219
10
Ary noho izany dia homeko ho an'ny sasany ny vadiny, Ary ny sahany ho an'izay maka azy, Satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena, Na mpaminany na mpisorona dia samy mamitaka avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15CF6C56-4C23-46A3-80C5-86B832E4CCFB
11
Fa nataotaony foana ny fanasitranana ny faharatran'ny oloko zanakavavy Tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D00C0C28-61E6-4A51-A5D3-B42839122C0B
12
Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana, -- Nefa tsy mba menatra akory izy, ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin'izay lavo izy, -- Amin'ny andro hamaliana azy dia ho tafintohina izy, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD09DA5B-4B55-487B-B1D9-D91A6C32CFDF
13
Hakifako tokoa izy, hoy Jehovah; Tsy mamoa ny voaloboka, ary tsy misy voany ny aviavy, Malazo ny raviny; Ary nanendry izay hanafika azy Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CEF0B09-8730-4853-BECB-793299E212BB
14
Nahoana isika no mbola mipetra-poana? Mivoria hianareo, ka andeha isika hiditra any an-tanàna mimànda, Ka dia ho faty ao; Fa Jehovah Andriamanitsika efa nanendry antsika ho faty Ka nanome rano mangidy hosotrointsika Noho ny nanotantsika tamin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66692EB4-0242-49EE-9A73-4F745F1E8461
15
Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; Ary andro fanasitranana,[Na: fahafinaretana.] fa indro fampitahorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A56314E-F2D7-423A-AB96-472D1DBD5B36
16
Ny fiefonefon'ny soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon'ny soavaliny matanjaka; Fa avy izy ka mandany ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy, Dia ny tanàna sy izay monina ao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A64C21A4-826F-47A7-A0C8-718A6DA5CBAF
17
Fa indro Aho handefa bibilava hamely anareo, Dia menarana izay tsy azon'ody, Ka hanaikitra anareo ireny, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1F195FD-207B-42C3-966E-EDDB6C944243
18
Indrisy! enga anie ka hisy fahamiramiranana ho ahy eto amin'ny alaheloko, Fa reraka ny foko ato anatiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1331529-2604-4953-A30C-3512CD61B01E
19
Injany misy feo fitarainan'ny oloko zanakavavy Hatrany amin'ny tany lavitra hoe: Moa Jehovah tsy ao Ziona va? Moa tsy ao aminy va ny Mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy ireny Tamin'ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin'ny zava-poana avy amin'ny firenena hafa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CD45136-62A8-4F32-89FD-F64F8D5047E4
20
Lasa ny fararano, Tapitra ny taom-piotazana, Nefa tsy voavonjy isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C3DC6A1-B396-4D09-B95F-6EABBCED325C
21
Torotoro aho noho ny fahatorotoroan'ny oloko zanakavavy; Misaona aho, ary horohoro no mahazo ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24FA3F09-E537-46BE-B6D0-061A32655811
22
Moa tsy misy balsama va any Gileada? Moa tsy misy dokotera va any? Koa nahoana no tsy tanteraka ny fanasitranana ny oloko zanakavavy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD5172F6-35AD-4BF8-913B-5C93795D4A24
23
Enga anie ka ho rano ny lohako, Ary ho loharanon-dranomaso ny masoko. Mba hitomaniako andro aman-alina Noho ny voavono amin'ny oloko zanakavavy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7353660C-B581-49D5-BD31-6602AAD3BA79
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany