Andininy
Protestanta Malagasy
1
Enga anie ka hahita ny fitoerana any an-efitra aho tahaka ny fitoeran'ny mpandeha! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy, Satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, Eny, mpivadika miray tetika izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0603C173-6E15-4EF3-9272-A28EE96A7CAA
2
Manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipìka izy mba handefa lainga. Ary tsy araka ny marina no mahahery azy ety ambonin'ny tany; Fa mandroso amin'ny ratsy ka hatramin'ny ratsy izy, Ary Izaho tsy mba fantany, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B5C804B-EDAA-456D-B425-161FDDD62698
3
Samia miaro tena amin'ny namany avy hianareo, Ary aza misy matoky olona na dia ny rahalahy aza; Fa ny rahalahy rehetra dia mamingana tokoa, Ary ny namana rehetra mandehandeha manaratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73EB1D4D-AFCB-4098-8CCF-5A00D6303C30
4
Izy rehetra samy mamitaka ny namany avy, Ka tsy misy miteny marina; Mampianatra ny lelany handainga izy Ary manasa-tena amin'ny fanaovan-dratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56E15616-6DE8-4281-A104-4518177D08DB
5
Ny fonenanao dia ao anatin'ny fitaka; Fitaka no nandavany tsy hahalalana Ahy, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98E73E08-E8CF-40FA-8B09-08F4EF2D3626
6
Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, handrendrika sy hizaha toetra azy Aho; Fa ahoana no hataoko noho ny amin'ny oloko zanakavavy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|769B1417-77E6-4ACB-8B2F-445B6AEC3CFA
7
Zana-tsipìka mahafaly ny lelany ka miteny fitaka; Raha amin'ny vavany, dia miteny fihavanana amin'ny namany izy, Kanjo ao anatiny kosa dia manao otri-po.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|851454C7-1511-4CD3-AADA-6213A7BE5B02
8
Tsy hovaliako va izy amin'izany zavatra izany? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|390AE590-324F-4CDA-A8B4-246762888D5C
9
Noho ny amin'ny tendrombohitra no hitomaniako sy hidradradradrako, Ary noho ny amin'ny kijana any an-efitra no hanaovako hira fahalahelovana, Satria may izy, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy, Ary tsy misy fimàmàn'ny omby re intsony, Ary na ny voro-manidina na ny bibi-dia samy efa nandositra ka lasa avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFCD1AF0-3FAB-413D-8607-4E215D17C477
10
Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato Sy fonenan'ny amboadia;[Na: jakala.] Ary ny tanànan'ny Joda hataoko lao tsy hisy mponina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95818BA7-DCBD-4AEB-8687-0F67B3EBF49A
11
Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao, Sady efa nitenenan'ny vavan'i Jehovah mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany Sady may ho toy ny efitra, Ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBFA6D11-331A-4DBD-BA48-14D2536B4035
12
Ary hoy Jehovah: Satria nahafoy ny lalàko izay nataoko teo anoloany izy Ka tsy nankatô izany Ary tsy nihaino ny feoko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29F778AF-BA18-43B1-B484-7752421D20B0
13
Fa nandeha araka ny ditry ny fony Sy nanaraka ireo Bala araka izay nampianarin'ny razany azy, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D8F8FBA-A5F7-40BE-865E-7EAB0C464E83
14
Dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hofahanako zava-mahafaty ity firenena ity Sy hampisotroiko rano mangidy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CD72698-FD8D-489D-BA58-074C6B8FDCA1
15
Ary haeliko any amin'izay jentilisa Tsy fantany na fantatry ny razany izy; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra Ambara-pandaniko azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA74C347-7FE4-4941-809B-200BF16C1226
16
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mihevera tsara, ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira fahalahelovana mba ho avy; Eny, ampanalao ireny vehivavy mahay mba ho tonga;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|063C12F9-CA41-41D0-BB0D-EAD2B26CC43A
17
Ary asaovy haingana ireny hanandratra fidradradradrana ho antsika, Mba hampijojy ny ranomasontsika Sy hampivarina ny ranomaso avy amin'ny hodimasontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22465E4A-5245-4C21-8CB7-E10C4F7D656D
18
Fa misy feo midradradradra re any Ziona hoe: Indrisy! rava isika; Afa-baraka indrindra isika, Satria tsy maintsy mamoy ny tany, Fa efa narodana ny trano nitoerantsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D24DED45-5A51-478A-A0D1-9CBBB86C7626
19
Nefa mihainoa ny tenin'i Jehovah, hianareo vehivavy, Ary aoka hohenoin'ny sofinareo ny tenin'ny vavany, Ka ampianaro fidradradradrana ny zanakavavinareo, Ary samia mampianatra hira fahalahelovana ny namany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9D76A8F-B33B-4D2F-BAE0-F33AD2B55242
20
Fa ny fahafatesana efa nananika ny varavarankelintsika Ka niditra tao an-dapantsika, Mba handringana ny ankizy madinika tsy ho eny an-dàlambe Sy ny zatovo tsy ho eny an-kalalahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF62FDA1-2CD7-43C8-BC5D-02422C152C33
21
Ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin'olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha Sy tahaka ny amboara nilaozan'[Heb. any aorian'.] ny mpijinja, Izay tsy misy manangona azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|095C7791-E900-4AAD-A554-5DDD68D6D396
22
Izao no lazain'i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, Ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin'ny heriny, Ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin'ny hareny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1794E05-D7BA-48F3-880E-A8F794A8042D
23
Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana ety ambonin'ny tany; Fa izany no sitrako, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20D4E48D-4164-4576-928A-8C30A1DC3BCF
24
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hamaliako ny voafora rehetra mbamin'ny tsy voafora koa,[Na: izay toy ny tsy voafora.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECDA4449-0C06-4E07-8035-D7EC3F5662C6
25
Dia Egypta sy Joda sy Edoma Sy ny taranak'i Amona ary Moaba Mbamin'izay rehetra voahety sisim-bolo, Izay monina any an-efitra; Fa ny jentilisa rehetra dia tsy voafora, Ary ny taranak'Isiraely rehetra kosa dia tsy voafora fo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF16059C-6774-4C5E-8022-E08F67F8AC1A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany