Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahefatra tamin'ny taona fahatelo-polo, raha teo amin'ny babo teo amoron'ny ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy tamin'Andriamanitra aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4E02787-3FDA-485F-A2FB-1857D506BF56 2 Tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana (taona fahadimy taorian'ny namaboana an'i Joiakina mpanjaka izany) qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8959C620-7EF7-4A2B-99CB-0C3F91545B49 3 dia tonga tamin'i Ezekiela mpisorona, zanak'i Bozy, ny tenin'i Jehovah tany amin'ny tanin'ny Kaldeana, teo amoron'ny ony Kebara; ary ny tànan'i Jehovah dia taminy teo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E36FA6C-F299-4603-AE64-6DFEDF2D994F 4 Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin'ny afo dia nisy toy ny volon'ny metaly mamirapiratra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48B1D316-6956-4ECC-8CB9-23EE5791665B 5 Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan'aina efatra. Ary ny fikery azy dia hoatra ny endrik'olona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D4CF989-013E-405B-825D-439F0B8F1E19 6 Ary samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5EF4DD8-0359-4A47-B840-7E50DCCA8355 7 Ary mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian'ny ombilahy kely; ary mamirapiratra toy ny volon'ny varahina manganohano izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9321FF83-955E-4351-8903-286EB51980E8 8 Ary nisy tanan'olona teo ambanin'ny elany teo amin'ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tarehiny sy ny elany avy izy efatra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DDD1DD6-B971-49E5-88D6-1BB443F061FD 9 Nifanendry ny elany; tsy niherika izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37BFA0EE-E157-476A-85EC-9AA89F816941 10 Ary ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'olona; ary tamin'ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin'ny liona izy efatra, ary tamin'ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin'omby, ary samy nanana ny tarehin'ny voromahery koa izy efatra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB46C32C-F710-459F-8E50-D3BB300BD10F 11 Ary ny tarehiny sy ny elany dia nisaraka hatreo ambony: samy nisy roa nifanendry tamin'ny an'ny namany, ary ny roa nanarona ny tenany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17320B42-A4AB-4377-83D9-7324B1E3478C 12 Dia samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy, ka na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho nalehany dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E02A8102-1D77-4ABD-BF23-E1FF379C450A 13 Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan'aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan'ny zava-manan'aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4BF48A4-3818-4F9A-8E7D-F31D380861CB 14 Ary ny zava-manan'aina nifanaresaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9D66393-1A44-4C84-BCF3-35EFA9957283 15 Ary hitako ny zava-manan'aina, fa, indro, nisy kodia iray avy teo ambonin'ny tany, teo anilan'ny zava-manan'aina teo anoloan'ny tarehiny efatra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2135C749-55B2-4176-9F9C-2189C0B1F41F 16 Ny tarehin'ny kodia sy ny rafiny dia tahaka ny volon'ny krysolita, ary nitovy endrika izy efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin'ny kodia. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0DBACAE-F58F-4C41-8E7E-21C27964D52E 17 Raha nandeha izy, dia nandeha tamin'izay hitsin'ny lafiny efatra: tsy niherika izy raha nandeha. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F162D794-42AE-46D6-A4D8-35CF23ACE051 18 Ary ny boriboriny manodidina azy dia avo sy mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4562A1E-D5B7-4CEB-9742-64DBD0D4E478 19 Ary raha nandeha ny zava-manan'aina, dia nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireo zava-manan'aina, dia mba niainga koa ny kodia. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93C20BC5-E5AE-4A87-963F-024037DCD9F5 20 Na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho naleha dia nalehan'ireo koa; fa any koa no mba tian'ny fanahy haleha, ary ny kodia dia niainga teo anilany; fa teo amin'ny kodia ny fanahin'ny zava-manan'aina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFE07EB6-A946-4CFE-A7F5-2B6D8E68146F 21 Raha nandeha ireny, dia mba nandeha koa ireto; ary raha nijanona ireny, dia mba nijanona koa ireto; ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireny, dia mba niainga teo anilany koa ny kodia; fa ny fanahin'ny zava-manan'aina dia tao amin'ny kodia. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E384EFEF-48F6-4E90-897E-8F886D9B4774 22 Ary teo ambonin'ny lohan'ny zava-manan'aina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon'ny krystaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin'ny lohany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA4ABAF4-4A50-4150-ABA4-6FD561D00DE4 23 Ary nivelatra mahitsy sady nifanendry ny elany teo ambanin'ny eloelo: samy nanan-droa avy izy rehetra, izay nanaronany ny tenany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA8855CE-C5B3-49EF-9BB6-53954D23251C 24 Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon'ny rano be, dia tahaka ny feon'ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon'ny miaramila mitoby; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0CE0002-6887-432F-8DB9-0793F3667192 25 Ary nisy feo avy teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohany; nony nijanona izy, dia namihina ny elany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B6C1C45-7DCB-4B8E-BEA2-3CF03B30FF42 26 Ary teo ambonin'ny eloelo, izay teo ambonin'ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin'ny vato safira; ary teo ambonin'ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik'olona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEA44B9B-8986-42A7-88BA-4734DF96FF51 27 Ary nahita toy ny volon'ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin'ny afo manodidina azy; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra ka hatramin'ny valahany no ho midina dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1526D1E-D931-4487-8A89-FC1034EC57B2 28 Toy ny tarehin'avana amin'ny rahona amin'ny andro nisy ranon'orana no tarehin'ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr'i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon'ny anankiray niteny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4DDB796-70D8-40EA-92A4-1B40FA384627
|