Andininy
Protestanta Malagasy
15
kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao* sady nanaram-po nijangajanga tamin'ny mpandalo rehetra, ka nafoy ho azy izany[Heb, anarana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4BE678D-2F7B-4AB3-95BF-51127D614F50
16
Ary nangalanao ny fitafianao, dia nanaovanao fitoerana avo ho anao ka noravahanao sora-damba, ka nijangajanga teo aminy ianao; dia zavatra izay tsy tokony hiseho na hisy akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59715EE4-89D5-4B83-8393-51F603665478
17
Ary nalainao koa ny firavakao tamin'ny volamenako sy ny volafotsiko, izay nomeko anao, dia nataonao sarin-dehilahy ho anao ka nijangajanganao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCE1CCB8-73EC-4892-B293-1B54EC05703D
18
nalainao koa ny fitafianao misoratsoratra ka natatinao ireo; ary ny diloiloko sy ny ditin-kazo manitro dia napetrakao teo anoloany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEF7353F-A65B-45C0-AB3B-36B594B505E1
19
Ary ny haniko izay nomeko anao koa, dia ny koba tsara toto sy ny diloilo ary ny tantely, izay nafahako anao, dia napetrakao teo anoloan'ireo ho hanitra ankasitrahana; teo tokoa izany, hoy Jehovah Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|616194C4-8AF6-45F2-AF21-8F75387A29A6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany