Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, mitsangàna, fa hiteny aminao Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7BF1A0F-B343-452E-9501-CCEE28643370
2
Ary nisy fanahy tonga tao anatiko*, raha niteny tamiko Izy, ka nampitsangana ahy, ary reko Izay niteny tamiko.[Na: nody ny aiko]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7661F0E9-95D0-409C-9B22-4D934A1BF793
3
Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, maniraka anao ho amin'ny zanak'Isiraely Aho, eny, ho amin'ireo jentilisa mpiodina, izay efa niodina tamiko; izy sy ny razany dia samy efa nanota tamiko avokoa mandraka androany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAC9F9D5-945E-447A-8C2F-C0009E6CE991
4
Ary ho any amin'ny zanaka mafy handrina sy madi-po no anirahako anao, ary ianao hanao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD9563D0-3B8F-49FF-8E48-929C6C2FCF2E
5
Ary na hihaino izy na tsy hihaino (fa taranaka maditra izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48101B51-F29E-4F39-B01A-164815245D52
6
Ary ianao, ry zanak'olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny amiana* sy ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin'ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy. [Na: maditra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|714A2808-2215-4288-AD82-53ABAC510024
7
Ary holazainao aminy ihany ny amiko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena naditra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C48396A-1D5D-4094-AB1C-6518ACD874DF
8
Fa ianao kosa, ry zanak'olona, mihainoa izay lazaiko aminao; aza maditra tahaka izany taranaka maditra izany ianao; akafy ny vavanao, ka hano izay afahako anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B8C0846-C598-4B37-87CE-C9BC9E15A457
9
Ary hitako fa, indro, nisy tanana nahinjitra tamiko, ary, indro, nisy horonan-taratasy ny aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16956D1D-7378-4AF9-9899-CBBA33FFA667
10
Dia novelariny teo anatrehako izany, ary nisy soratra teo anatiny sy teo ivoany; ary fitomaniana sy fidradradradrana loza no voasoratra teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C090A0D-6616-407A-A235-3E594EC0BA22
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany