Andininy
Protestanta Malagasy
12
Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F6C8C4A-A0E5-4DB8-B33A-0ED70AE5A1F2
13
Kanjo niodina tamiko tany an-efitra ihany ny taranak'Isiraely, ka tsy nandeha araka ny didiko izy, fa nanamavo ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto dia nandoto ny Sabatako izy, dia hoy Izaho: Haidiko aminy any an-efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D4CB8AB-5D5C-4F5A-AFB8-3F5C7633F512
14
Kanefa niasa noho ny amin'ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo anatrehan'ny jentilisa izay nahita ay nitondrako azy nivoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50987ADB-A800-47DF-A3B5-67F41E6CD350
15
Ary Izaho dia nanangan-tanana taminy tany an-efitra koa fa tsy hitondra azy ho any amin'ny tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DB83D0B-354F-4706-889D-8E826AD074CC
16
satria efa nanamavo ny fitsipiko izy ary tsy nandeha araka ny didiko, fa nandoto ny Sabatako; fa ny fony dia nanaraka ny sampiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41052448-28E6-44CE-A998-A894E02F5532
17
Nefa niantra azy ihany ny masoko, ka dia tsy naringako na nolevoniko tany an-efitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22BE597D-9CBB-46E8-863C-1A9EA80AA189
18
Fa hoy Izaho tamin'ny zanany tany an-efitra: Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo ianareo, na mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin'ny sampiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E785FC59-9F5F-43F8-8792-6BFF639B6537
19
fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; koa mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko, ka araho izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A9D39FF-FF59-4AEA-87A9-7DE42CFC4205
20
Ary manamasina sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02F6CA30-1D20-4FB2-8F7E-43B411120B1F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany