Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D853EB5-40A0-4AC5-9948-5D327BB105EE
2
Ry zanak'olona, manatreha ny atsimo, ary mitenena manandrify ny atsimo, ka maminania ny amin'ny hamelezana ny ala amin'ny tany atsimo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0730C24A-2DE0-4807-9380-400096F4FD66
3
Ary lazao amin'ny ala amin'ny tany atsimo hoe: Henoy ny tenin'i Jehovah: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hampirehitra afo ao aminao Aho, izay handevona ny hazo maitso sy ny hazo maina rehetra ao aminao; tsy hovonoina ny lelafo midedadeda, fa ho main'ny afo ny tava rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CC7FDD9-EA0C-4DE8-83F1-2872258960D4
4
Ka dia ho hitan'ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nampirehitra io, ka tsy hovonoina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|432BF4F2-54FD-481A-A9B8-6B3CC4EF20E0
5
Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Hoy ny fitenin'ny olona ahy: Tsy fanoharana va no ataony?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D23FE929-A10C-43FC-A765-195D28C09D6C
6
Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|260F3FC4-5603-4F03-8FBD-EC90D57CBB1F
7
Ry zanak'olona, manandrifia an'i Jerosalema, ary mitenena manandrify ny fitoerana masina, ka maminania ny amin'ny hamelezana ny tanin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E05BD5E-FB8D-424E-BBD3-BD440EF6AC2A
8
Ary ataovy amin'ny tanin'ny Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho no mamely anao, ary hotsoahako amin'ny tranony ny sabatro, ka haringako ny marina sy ny meloka eo aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E9E88CE-C907-401B-A6A3-A3C23ACAF8A7
9
Ary noho ny handringanako ny marina sy ny meloka eo aminao, dia izany no hitsoahan'ny sabatro amin'ny tranony hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A81207FE-AB01-4463-9EF0-F678828FD6BB
10
Ka dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nanatsoaka ny sabatro tamin'ny tranony; Tsy hiditra intsony izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17F74179-6A95-42A2-8ECD-A368BF806929
11
Ary ianao, ry zanak'olona, midridridridria toy ny tapa-balahana, eny, midridridridria amin'ny fangidiana eo imasony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E92B614-CC46-4024-852E-3F63064FBCAD
12
Ary raha izy manao aminao hoe: Nahoana ianao no midridridridry? Dia valio hoe: Noho ny teny efa re, fa ho avy izany, ho kivy ny fo rehetra, hiraviravy ny tanana rehetra, ary hivarahontsana ny fanahy rehetra, sady hanjary ho toy ny rano ny lohalika rehetra. Eny, ho avy izany ka ho tanteraka, hoy Jehovah Tompo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|444B5D05-20D6-4810-B18E-6D0D41A0DDC8
13
Dia tonga tamiko ay tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C7C40B4-E129-41BC-980A-71C890202B94
14
Ry zanak'olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Injao! sabatra! sabatra re! Voaranitra sady voafotsy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|593B7B11-E4F3-4681-ACD6-734A70362C1B
15
Voaranitra hahafaty be izy; Voafotsy hanelatselatra izy (Sa isika hifaly hoe: Ny tsorakazon'ny zanako mamingavinga ny hazo rehetra?)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D771BEA5-C5C9-4710-B2ED-6EDE7D4B8399
16
Ary nomena hofotsiana izy Mba horaisin-tanana; Voaranitra io sabatra io sady voafotsy, Mba hatolotra eo an-tanan'ny mpamono.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1F74B3B-F810-4687-8E9A-9FA291B5DD39
17
Mitomania sy midradradradrà, ry zanak'olona! Fa mihatra amin'ny oloko izany, dia amin'ny lehibe rehetra amin'ny Isiraely; Lavon'ny sabatra miaraka amin'ny oloko izy, koa misafoa sirana ianao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18904462-57AF-4C1C-9AF2-35706A539E07
18
Fa vita ny fizahan-toetra, Ka manao ahoana, raha ilay tehim-panjakana namingavinga iny aza no ho tonga tsinontsinona ? hoy Jehovah Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34F4140B-E44C-4EE9-8F3E-BC24F4E9584A
19
Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania, ka mitehafa tanana, ary aoka hihaloza roa heny, na telo heny aza, ny sabatra, dia ny sabatra izay efa nahatrabaka olona; Eny, ny sabatra izay efa nahatrabaka ny andriana* no manemitra azy.[Heb. lehibe]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0ED8262F-5857-47DB-A34F-87CA625432DC
20
Nahebihebiko teny amin'ny vavahadiny rehetra ny sabatra, mba hahakivy ny fo sy hahatonga fahatafintohinana maro. Indrisy! nataoko nanelatselatra izy sady voaranitra* hamono.[Na: voatsoaka]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E110A8F-E7C7-4BDD-8171-0698D2F0C950
21
Miomana, ka mandrosoa eo ankavanana ianao, mijoroa, ka mandrosoa eo an-kavia, amin'izay voatendry hamelezanao na aiza na aiza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02CDC22C-746A-47DA-9135-2352D74B25D4
22
Hiteha-tanana koa Aho ary hiala fo; Izaho Jehovah no nilaza izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA692F63-FE21-42C2-88F2-D57BA1B53A0A
23
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AA2B54C-21EF-43D9-ADD4-999A4CF64365
24
Hianao, ry zanak'olona, manaova lalana roa ho anao hihavian'ny sabatry ny mpanjakan'i Babylona; avy amin'ny tany iray no hihavian'izy roa; ka manaova sarin'ny famantaran-dalana*, eo an-tsampanan-dalana mankany amin'ny tanàna no anaovinao azy.[Heb: voatsoaka]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59F9649F-6598-4E3A-85CD-61A3E6EFDBD7
25
Manaova lalana hihavian'ny sabatra ho any Raban'ny taranak'i Amona sy ho any ny Joda ao Jerosalema mimanda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9763E50-1B1D-4207-99CD-B0D8AD8721D5
26
Fa ny mpanjakan'i Babylona mijanona eo amin'ny sampanan-dalana, dia eo an-dohan'ny lalana roa, mba hanao sikidy; dia manetsiketsika ny zana-tsipìka izy ary manontany amin'ny sampy* sy mizaha amin'ny atin-kena.[Heb. terafima]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DADCE9F6-582A-4B88-A189-58D95972399C
27
Mby eo an-tànany ankavanana ny sikidy, dia ny ho an'i Jerosalema, mba hametraka lohondry vy fandravana, hisoka-bava hiantsoantso, hanandra-peo amin'ny akoran'ady, hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin'ny vavahady, hanandratra tovon-tany sy tilikambo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46E3D5F4-DD21-446A-B667-D3C7BF9E90FF
28
Nefa tahaka ny sikidy lainga izany eo imason'ireny izay efa nianiana mafy*, nefa Jehovah** no mampahatsiaro ny helony mba hisamborana azy.[*Na: izay efa nianianana mafy][**Heb. Izy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0590006C-EB66-4EB4-8E63-89F7A491A189
29
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nampahatsiarovanareo ny helokareo tamin'ny nampiharihariana ny fahadisoanareo mba hampisehoana ny fahotanareo tamin'izay rehetra nataonareo, noho ny nahatsiarovana anareo dia hosamborin-tanana ianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1844A847-5FA2-4857-B15B-53863956AD05
30
Ary ianao, ry ilay ratsy fanahy voatrabaka, dia ilay mpanjakan'ny Isiraely, izay tapitra andro amin'ny fotoan'ny heloka mahafaty,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F6C3CED-D511-44F5-B403-45899D3EFFF3
31
izao no lazain'i Jehovah Tompo Hesorina ny hamama, ary halàna ny satro-boninahitra, tsy ho ao intsony ireo; hasandratra ny iva, ary haetry ny avo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79DCC036-A0CC-487A-9785-C97E358FF4D5
32
Havadiko, havadiko, havadiko izany; fa izany koa aza dia tsy mba haharitra mandra-pahatongan'izay tena tompony tokoa, ka homeko azy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AFB9090-111C-4464-B013-CFA62CB9346B
33
Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny amin'ny taranak'i Amona sy ny latsa ataony, dia ataovy hoe: Indro sabatra! Dia sabatra voatsoaka hamono! Voafotsy handringana sy hanelatselatra izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17FC1088-C0C0-4DAD-BBD5-6799FA87C779
34
(Raha mahita zava-poana ho anao izy sy maminany lainga aminao) Handavoany* anao ao amin'ny vozon'ny ratsy fanahy voatrabaka, Izay tapitra andro amin'ny fotoan'ny heloka mahafaty.[Heb. Hametrahana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD339A88-4521-424F-B9B9-B4F602E79142
35
Ampidiro amin'ny tranony izy. Any amin'ny tany namoronana anao, dia any amin'ny tany nahaterahanao, no hitsarako anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F17F0AF2-5922-40FA-9366-A403A663036A
36
Ary haidiko aminao ny fahavinirako, ny afon'ny fahatezerako no hotsofiko aminao, ka hatolotro eo an-tànan'ny olona ketrina. Sy izay mpamorona fandringanana ianao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC7D207F-1B0C-406A-8A06-BB1CFB0EE58C
37
Dia ho kitain'ny afo ianao; Ho eny amin'ny tany ny rànao; Tsy hotsaroana ianao; Fa Izaho Jehovah no niteny izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|005E6084-828E-4016-A3D4-04554FB5B96F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany