Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C0EF5E3-201C-4E7F-9F9E-351B5A854BE4
2
Hianao, ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'i Tyro,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24821B3E-ECE0-4D61-BC5A-126FCBFF8CBD
3
ka ataovy aminy hoe: He, ry ilay monina amin'ny vava-ranomasina, Mpandranto ho an'ny firenena ho any ny moron-dranomasina maro samy hafa; Izao no lazain'i Jehovah Tompo: He, ry Tyro, ianao efa nanao hoe: Izaho dia tena tsara tarehy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC7AFBDA-A025-479A-A161-592E67747AA1
4
Ao amin'ny ranomasina ny taninao, efa tanteraky ny mpandrafitra anao ny hatsaran-tarehinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD46FCE7-6D39-460D-8037-CF7BB33799AB
5
Hazo kypreso avy any Senira no nanaovany ny lampihazonao; Sedera avy any Libanona no nalainy hatao andrin-tsambonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4715E7D7-15FB-494F-8837-170C0CC5FCAB
6
Oka avy any Basana no nanaovany ny fivoinao; hazo bokso avy any amin'ny moron-dranomasin'i Kitima no nataony fipetrahan'ny mpivoinao sady nasiany parike ivory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D871D5D-96DD-462B-BD72-38CA03A814C0
7
Rongony madinika samy hafa soratra avy any Egypta no natao lainao mba ho faneva ho anao; Lamba manga sy volomparasy avy any amin'ny moron-dranomasin'i Elisa no eloelonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|324FD6EB-828D-4DF1-AF08-D662B47AACA0
8
Ny mponina any Sidona sy Arvada no mpivoinao; Ny olon-kendrinao, ry Tyro, no tao aminao, ka ireo no mpitondra sambonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46AEFC82-26DC-4ABD-B82F-DC1C3E659AC3
9
Ny zokiolon'i Gebala sy izay hendry tany no tao aminao ho mpanentsin-tsambonao; ny sambo rehetra teny amin'ny ranomasina mbamin'ny matilony dia tonga tao aminao hanakalo ny rantonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9794CFFC-DFCC-44AD-AEA3-DEB1F4A501C2
10
Ny avy any Persia sy ny Lydiana* ary ny Libyana** dia isan'ny miaramila mpiadinao; Nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao.[*Heb. Loda][**Heb. Pota]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9A38E36-0B77-4FD5-8598-CD59DDE1D07E
11
Ny terak'i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin'ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no tao amin'ny tilikambonao; Ny ampingany dia nahantony teny amin'ny mandanao manodidina; Ireo no nahatanteraka ny hatsaran-tarehinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75C9C850-4A33-4B97-9B27-7F7E87E62D52
12
Tarsisy no mpandranto nankany aminao noho ny haben'ny harena samy hafa rehetra; Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka na nentiny natakalo ny entanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE53C0B5-A9C1-4C88-80F5-FE6FFFD778B1
13
Javana sy Tobala ary Maseka no mpandranto nankany aminao, ka olona sy fanaka varahina no natakalony ny varotrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6748CDCB-9D56-44C5-AAB7-34146BE04051
14
Ny terak'i Togarma nitondra soavaly sy soavaly fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D49A58C-6F69-4E1D-8ED0-0CF8F94F4F53
15
Ny terak'i Dedana no mpandranto nankany aminao; Ny avy amin'ny moron-dranomasina maro no tonga hivarotra tao aminao ka nitondra ivory* sy hazomainty natakalo ny entanao.[Heb. vangy ivory]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BF02042-6847-4D66-B106-624460C87B48
16
Syria no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan'ny tao-zavatrao, ka karbonkolo sy lamba volomparasy sy tenona samy hafa soratra sy rongony fotsy madinika sy voahangy ary robina No nentiny natakalo ny entanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA57AE52-5115-4850-A922-678AF5BDEB18
17
Joda sy ny tanin'ny Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E55F0A47-CF5A-4DEE-BFD7-0C9000A83B6E
18
Damaskosy no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan'ny taozavatrao, dia ny haben'ny harenao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon'ondry fotsy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E065F109-1180-4E49-9F27-89332CA141C0
19
Vedana koa sy Javana avy any Ozala dia nitondra vy voatefy* natakalo ny entanao; Kasia sy veromanitra no natakalony ny varotrao**.[*Na: vy mamirapiratra][**Na: Vedana sy Javana nitondra folo hatakalo ny varotrao; vy voatefy sy kasia ary veromanitra no isian'ny varotrao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9839F1D1-48B7-4B2C-AB17-BAEEB132A013
20
Dedana no mpandranto nankany aminao, nitondra lamba fanao lamban-tsoavaly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F7B6F13-5674-4B5E-8558-FE85232821E0
21
Arabia sy ireo andriandahin'i Kedara rehetra no nandranto tany aminao, ka zanak'ondry sy ondrilahy ary osilahy no nentiny natao varotra tao aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92C64C5E-AEEA-4CBC-9F6C-45589693A705
22
Ny mpandranto avy any Sheba sy Rama no mpandranto nankany aminao, Ka zava-manitra tsara indrindra sy vato soa samy hafa karazana ary volamena no nentiny natakalo ny entanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A7D8761-E73B-4EB5-8DAC-F4F0903C0DCD
23
Harana sy Kane ary Edena sy mpandranto avy any Sheba sy Asyria ary Kilmada no mpandranto nankany aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6934128-ED14-411D-BAA8-6286405EA3D5
24
Ireo no mpandranto nankany aminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra, dia kapôty manga sy samy hafa soratra ary vata sedera mifehy* misy fitafiana soa no natakalony ny varotrao.[Na; vata mifehy mafy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A81E7C63-029E-45D9-8BC9-C7AE9FEB7209
25
Ny sambon'i Tarsisy no mpitondra ny entanao, dia feno sady be voninahitra ianao teo amin'ny ranomasina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C498A045-5DAF-4FA5-A002-2855C8A19540
26
Nentin'ny mpivoinao teny amin'ny rano be ianao, dia nahavaky anao tao amin'ny ranomasina ny rivotra avy any atsinanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7960D78B-069D-41F7-B170-7BC1CAF56698
27
Ny harenao sy ny vidin'entanao, ny varotrao, ny matilonao sy ny mpitondra sambonao, ny mpanentsin-tsambonao sy ny mpividy ny entanao ary ny miaramilanao rehetra izay tao aminao mbamin'ny olona betsaka tafangona tao aminao dia nilentika tao amin'ny ranomasina tamin'ny andro nandravana anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C36DC98E-6310-4819-8F5D-A7E5E8C906DB
28
Noho ny fidradradradran'ny mpitondra sambonao dia mihorohoro ny tany manodidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B07CAB5-6DC7-4B77-9203-6B7FC147E483
29
Ary samy midina miala amin'ny sambony ny mpivoy rehetra sy ny matilo ary ny mpitondra sambo rehetra eny an-dranomasina ka mijanôna eny an-tanety;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FE408D1-745F-4CE7-AA87-12D16091A3AC
30
Ary manandratra ny feony noho ny nanjo anao izy ka midradradradra mafy* sady manopy vovoka hiraraka amin'ny lohany ary mihosinkosin-davenona;[Heb. mangidy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25CCBA4B-B42E-4CEA-9821-071173F84441
31
Ary mibory loha avokoa izy noho ny aminao sy misikina lamba fisaonana ary mitomany anao amin'ny fangidiam-panahy izy, dia fisaonana mafy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41131F00-4FD0-4164-A055-76ABAEA3BF95
32
Ary raha midradradradra izy, dia manao hira fahalahelovana ny aminao ka mitomany anao hoe: Iza moa no tahaka an'i Tyro, dia tahaka ilay rava ao ampovoan'ny ranomasina ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74639428-AED5-4315-8738-FE49CEBFA60D
33
Raha nivoaka avy amin'ny ranomasina ny varotrao, dia nahatretrika firenena maro ianao; Tamin'ny haben'ny harenao sy ny varotrao dia nampanan-karena ny mpanjakan'ny tany ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|120DF96E-2614-4CEB-B27C-7DEEDC32CCFD
34
Tamin'ny andro nandravan'ny ranomasina anao ho any amin'ny rano lalina dia niara-nilentika taminao ny varotrao sy ny olona tafangona tao aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FACEFEC5-6ED9-41B5-9623-8D6CCBD802DC
35
Talanjona anao ny mponina rehetra amin'ny moron-dranomasina, ary raiki-tahotra ny mpanjakany ka dia mivalomainty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F0E7A1C-3F2B-4A32-8037-6604B77DA548
36
Misitrisitra anao ny mpandranto amin'ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5A02978-606A-4CDD-A12B-324F381897C5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany