Andininy
Protestanta Malagasy
12
Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka* ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,[Heb. manisy tombon-kase]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89FF5924-B850-4EF2-AAD8-0CC11A063A2E
13
Tany Edena, sahan'Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao* dia tao aminao, tamin'ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.[Na: vehivavy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|303AF4C1-A018-4B96-8D73-C762FF260C36
14
Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFBA9BE1-B227-4969-A253-D2345CA68ED8
15
Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27926B7E-CC21-456F-999C-71CC5D6FFC95
16
Noho ny habetsahan'ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota ianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin'ny tendrombohitr'Andriamanitra ianao, Ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin'ny vato mirehitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15411F5B-A521-462A-BB4C-BE69C22EEF71
17
Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3816C1B3-852C-4F85-97F8-26E753E7A84D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany